Mihaino anao Izy
Nandefa olona nandeha niantsena aho ary taitra fa tena niakatra ny vidin-javatra sasany. Teo anelanelan’izay koa dia vaky ny pneu an’ny fiara ka mila soloina. Niteny koa ny zanako hoe very ny chargeur-n’ny solosainy dia mila hitadiavana solony fa entiny mianatra tsinona. Ny tranonay iray koa nohavaozina dia miampy eny antsefatsefany eny ny zavatra vidiana… Ankoatry ny hafa izay tsy ho voatanisako daholo...Torovana ny saiko iny hariva iny. Vola daholo izany, ahoana ny atao nefa tena tsy afa-miandry. Angamba efa sendra izany ianao? Mitontongana indray andro eo daholo ity rehetra ity…
Naka fotoana kely aho nitokanana satria tena navesatra ny foko ary ito teny ito no tsapako: Filipiana 4:6 “Aza manahy na inona na inona; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin'ny fisaorana no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin'Andriamanitra amin'ny zavatra rehetra.”
Tsoriko fa tsy nahavita nivavaka ela aho fa nahatsapa fitoniana kosa anefa, tsy hoe nivaly teo noho eo ireo rehetra ireo na nisy volabe nilatsaka avy any an-danitra (Na izay aza no tena tsara e? ahhahaha….) fa ilay fitoniana sy fiadanana kosa dia tsy voavidy vola. Ary inoako fa hamaly vavaka Andriamanitra satria atsahatro ny fanahiana ary hanomboka hisaotra Azy aho.
Ianao koa, mety maro ny sedrainao, mety sanatria ve mafy noho ireo tanisaiko aza, fa makà fotoana hitokanana dia ambarao amin’Andriamanitra ny fangatahanao. Mihaino anao Izy.
Fahagagana Izy, ianao koa 🙏💕