Mihahendry ❤️
Mihahendry ❤️
“Mba hendry oaa…” 😊 na “ Aza mianan-kendry eo eee…” 😔 Efa nisy niteny an’izany ve ianao na ianao no niteny taman’olona? Indraindray koa isika miteniteny zavatra eny fa nefa tsy haintsika hoe tahaka ny ahoana ny lanjany…
Fa inona aloha no atao hoe fahendrena ary e? Ao amin’ny Baiboly ihany no handraisantsika ny valiny “Ny fahatahorana an'i Jehovah no fiandoham-pahendrena…” Ohabolana 9:10. Izay midika raha tsorina dia hoe ny fanajana Azy amin'ny maha-izy Azy. Tsy hoe mipetraka tsara tsy mihetsika manao “croiser les bras” hoy ny ankizy izay 🤭 fa ny fahendrena dia miainga avy amin'ny fanajana an’Andriamanitra feno.
Lesona lava ny momba ny fahendrena ary tsy voafintina eto fa ny hafatra tiana hiampita aminao anio dia hoe manàna fahendrena amin'ny ataonao rehetra. Ambeti-teniko matetika ny hoe ara-panahy ny fiainana ary ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra ihany no handraisantsika ny soa avy Aminy. Anisan’izany ny famonjena fanahin’olona. Io tsy hoe ny pasitera na ny mompera na ny mpiandraikitra ihany fa isika tsirairay avy dia manana anjara amin'ny fanitarana ny fanjakan’Andriamanitra amin'ny famonjena fanahin'olona. “Ary ny hendry dia mahataona olona” hoy ny Ohabolana 11:30
Koa tsy mianan-kendry isika satria ilay Fahendrena efa velona ao anatinao, fa mila hihetsehanao izany ahatanteraka ny tohin’ilay andininy noraisintsika tam-boalohany, izay manao toy izao hoe “Fa izaho (ny fahendrena) no hampitomboana ny andronao Sy hanamaroana ny taona hiainanao.” Ohabolana 9:11
”Toroy ny hendry, dia hihahendry izy…” (Ohabolana 9:9). Atoroko anao izany satria fantatro fa “hendry” ianao.
Fahagagana Izy, ianao koa 🙏💕