• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Nov 6, 2025

Mifohaza ianao!

Andro namoahana Nov 6, 2025

Tsy mahafinaritra ve hoe afaka mamaky ny momba an’i Davida sy ny mianatra avy aminy ao amin’ny Baiboly?

Satria raha tsy mamaky afa-tsy ny tantaran’i Davida aho dia hiteny hoe : “ Oaoo, goavana ny niainany! Tena tsara be! Tena nanana fahatokian-tena be io lehilahy io hatramin’ny fony kely!”

Kanefa rehefa mamaky ny salamo nosoratan’i Davida aho dia tonga saina hoe, izy koa dia nandalo fihetseham-po isan-karazany, niaka-nidina…. tahaka ahy sy ianao koa raha ny marina!

Hitantsika ny ohatra ao amin’ny Salamo  57 izay hilazany hoe : “Tafatoetra ny foko, Andriamanitra ô, eny, tafatoetra ny foko” (Salamo 57:7)Voamarintsika eto fa nila nankahery tena i Davida. Tsy mahagaga satria nanoratra io Salamo io izy hampatsiahy fa nitsaoka an’i Saoly tany an-johy izy. (Jereo Salamo 57:1)

Nitsaoka ny olany izy. Nitsaoka ilay olona izay nikasa handrava azy, hamono azy. Tsy mieritreritra ve ianao hoe mety nanontany toy izao izy hoe : “ Fa maninona no avelan’Andriamanitra hitranga izany? Ka na inona na inona koa dia tsy misy olona liana ny amin’ny momba ahy!”

Tsia, tsy Davida izany! Andininy tena manan-danja no manaraka an’io manao hoe : “ Mifohaza, ry voninahitro” ( Salamo 57: 8)

Tsy navelan’i Davida ho voasarika tanatin’ny eritreritra miiba ny fisainany.  Nitraka izy ary niteny hoe : “Mifohaza, ry voninahitro - ary raiso ny teny fahamarinana…!”

Ary noho izay fahatakarana ny fahamarinana izay no nanohizany hoe : “mifohaza ry valiha sy lokanga; hifoha maraina koa aho” ( Salamo 57: 8)

Nifoha maraina i Davida, izany hoe mialohan’ny fiposahan’ny masoandro, tao amin’ny maizina! Azonao ve ilay fanalahidy tian’i Davida ampitaina aminao?

“Mifohaza ianao alohan’ny hilazana aminao hoe ilaina ianao. Mifohaza ianao alohan’ny ahatongavanao eo amin’ilay teboka tianao ho tratrarina amin’ny fiainanao. Mifohaza ianao mialohan’ny ahitanao ny vahaolana amin’ny olanao. Mifohaza ianao hiaina ny fahagaganao! MIFOHAZA IANAO!”

Ny fahatongavan-tsaina dia midika fa fantatrao fa tsy voatery hanana ny valiny ianao ary fahatokiana fa Andriamanitra no hanome ny valiny avy Aminy!

Aza mitsaoka ny marina. Fohazo ny fanahinao anio maraina ary MITSANGANA IANAO!

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.