ππ» Mifikira amin'Andriamanitra ary aza mamotsitra Azy!
maly isika dia niresaka momba ny fahatsaran’Andriamanitra sy ny fanafihana ataon’ny fahavalo ao am-pontsika sy ao an-tsaintsika mba hahatonga antsika hino ny lainga isan-karazany momba an’Andriamanitra. Ny tanjon’ireo fanafihana ireo dia ny hahatonga antsika ho latsaka ao anatin’ny fitaka sy firoroan-tsaina ary hanimba ny fiombonantsika amin’Andriamanitra.
Andriamanitra dia te hitahy antsika sy hanome antsika ny fahendreny, ary koa ny asa rehetra izay efa nomaniny ho antsika. Tena Ray tsara tokoa Izy!
Manamafy Jakoba fa omen’Andriamanitra antsika izany rehetra izany rehefa mangataka Aminy isika. Na izany aza, mametraka fepetra iray izay mahatonga ny fiovana rehetra Izy. Hoy izy: “Nefa aoka hangataka amin'ny finoana izy ka tsy hiahanahana akory; fa izay miahanahana dia toy ny alon-dranomasina entin'ny rivotra ka atopatopany.” (Jakoba 1:6).
Ny finoana no fahaizana anananao rehefa mifikitra amin’Andriamanitra ianao. Hanazava izany amin'ny ohatra roa manokana aho:
- Mivavaka amin’Andriamanitra ny Kristianina iray mba hanampy azy amin’ny toe-javatra iainany, nefa amin’ny fomba mamoy fo. Tsy fantany raha tena mihaino ny vavaka ataony Andriamanitra, satria efa nanao vavaka maro tsy voavaly izy taloha. Efa nahatsapa ny fitiavan’Andriamanitra teo amin’ny fiainany izy ary manatanteraka ny andraikitry ny kristiana... Na dia eo aza izany rehetra izany, dia misy ny fiheverany indraindray fa matoa Tompom-piandrianana tsotra izao Andriamanitra dia manao izay tiany Izy.
- Kristianina iray hafa indray, mivavaka ho an'ny toe-javatra iainany, fa amin'ny fomba hafa. Mino izy fa mihaino azy Andriamanitra, ary tena tsara sy azo itokisana tokoa Izy. Fantany fa Rainy any an-danitra Izy, ka tsy hahafoy azy, ary nanapa-kevitra ny hifikitra Aminy amin’ny fony manontolo izy. Manambara ny teny fikasan’Andriamanitra amin’ny vavaka izy, ary mametraka ny fanahiany rehetra eo an-tongony mandra-pahazoany ny fiadanana ampanantenain’Andriamanitra ao amin’ny Teniny, dia fiadanana izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra (Filipiana 4:6-7).
Iza amin’izy roa no heverinao fa hahazo izay angatahiny? Ary iza amin’ireo ianao? Ny voalohany dia tototry ny fisalasalana sy ny fanahiana ary ny fitaka, fa ny faharoa kosa nisafidy ny hifikitra amin’Andriamanitra sy hiaina ao anatin’ny toetry ny finoana sy ny fiadanana.
Ny faharoa dia ilay manokatra varavarana, ka amin’ny alalan’ny finoana, dia hiditra an-tsehatra sy hifehy ny zava-misy ny Lanitra, ary hisy fahagagana hiseho eo amin’ny fiainany. Ary izany rehetra izany dia amin’ny alalan’ny tanjaky ny finoana izay manosika azy hifikitra amin’Andriamanitra sy amin’ny teny fikasany. Eny, na ho ela na ho haingana, dia ho hitanao fa ho avy tsy misy fisalasalana ny valin-tenin'Andriamanitra.
Ry namako, mifikira amin'Andriamanitra anio amin'ny finoana! Manapaha hevitra ny hino ny hatsarany, ny teny fikasany, ny drafiny tsara ary ny faniriany ho an’ny fiainanao. Aoka tsy hisy na inona na inona hanozongozona ny finoanao, ary minoa ahy fa hahita ny voninahitr’Andriamanitra tsy mbola nisy toy izany ianao (Jaona 11:40).
Fahagagana ianao!
