💰 Mifehy ny fiainanao koa ve ny vola?
“Ohatrinona no raisinao?”
Tsy haiko ianao raha mahatsikaritra fa isaky ny mijery tambazotran-tserasera aho dia toa io foana no fanontaniana apetraka matetika. Toy ny hoe izany no tena zava-dehibe indrindra eto an- tany. Tsy mba misy manontany mihitsy hoe: Firy andro ianao no nahatsiaro sambatra tamin’ity taona ity? Fa hoe: “Ohatrinona no noraisinao tamin’ity taona ity?”
Na dia tsy mikirakira matetika ny tambazotran-tserasera aza ianao dia mety efa naheno an’ity fehezanteny ity: “Ny vola no mifehy an’izao tontolo izao”.
Manontany tena aho hoe maninona isika no matoky tanteraka ny fahamarinan’io fehezanteny io fa tsy mba manadihady akory? Angamba mino izany koa ve isika? “Rehefa mahazo vola be aho izay vao ho tena sambatra”
Afaka nahita akaiky io tontolo io aho tamin’ny fiaraha-misakafo tamin’ireo artista malaza eran-tany toa an’i Justin Timberlake na i Beyonce. Minoa ahy ianao fa na hipoka mpijery aza ny seho ataon’izy ireo dia tsy midika velively fa sambatra izy ireo.
Tamin’ny fotoana nianjeran’i Britney Spears sy nanasolainy ny volony dia tao ambadiky ny sehatra aho ary nahita maso ireo mpanazatra azy nivanitika sady tapa-tsinay tamin’ilay tranga ary nifampiresaka hoe: “Vao may hampiditra vola bebe kokoa antsika izao… “
Izao tontolo izao no fehezin’ny vola fa tsy ny lanitra! Ny fitiavana no manjaka any an-danitra.
“Andriamanitra dia fitiavana; ary izay mitoetra amin'ny fitiavana no mitoetra ao amin'Andriamanitra, ary Andriamanitra ao aminy” (I Jaona 4:16) . Azo inoana fa afaka hanjakan’izany fitiavana any an-danitra izany izao tontolo izao fa tsy ny vola!
Satria ny marina dia hitantsika ao amin’ny Isaia 45: “Izaho no Jehovah, fa tsy misy hafa, Dia Izaho Izay mamorona ny mazava sy mahary ny maizina, manao ny fiadanana sy mahary ny loza; Izaho Jehovah no manao izany rehetra izany.” (Isaia 45:6-7)
Ataovy ao an-tsainao hoe ny Andriamanitrao no manana fahefana hampisy na tsia ny mazava, fa tsy ny volanao any amin’ny Banky. Na ny olona izay heverina ho mahery indrindra eto an-tany aza tsy afaka manakana ny hazavana hiposaka eo aminao rehefa tsy avelan’Andriamanitra hitranga izany. Manontany tena aho noho izany hoe: inona no mampihazakazaka antsika mitady vola raha toa ka illay Andriamanitra Tsitoha mihitsy no manao izay hihaonana aminao?Hitanao ao Aminy izay rehetra ilainao fa tsy miankina amin’ny kitapom-bolanao. Fantatrao ve izany?
An’Andriamanitra ny zavatra rehetra noho izany aza variana mihazakazaka mitady vola!
