Mifankatiava
Tongasoa amin’ny Alakamisy. Handeha hivavaka isika.
Jesosy o, anio dia hankalaza ny fanantenan’ny ohatry ny mpanomponao sy ny fony. Ny vavako dia ny enga anie ny namako ho tafahoana amin’ny fahagagana nomaninao ho azy anio. Jesosy o, ampianaro izahay hitia tahaka Anao!Amen.
Rehefa avy niala sasatra ny alina i Jesosy dia naniraka an’i Petera sy Jaona mialoha hanomana ny fetin’ny Paska. Ny harivan’io dia nanao fahagagam-panompoana i Jesosy ary nanasa ny tongotry ny mpianany. Ny fanaovany izany hetsika fanetre-tena izany dia nanehoany ny ohatra tokony hifankatiavan’ny mpino.
Iza no ao am-ponao izao ankehitriny izao ka tokony ho sasanao tongotra? Ny fanasana tongotr’olona iray amin’izao dia mety hoe fanomezana sakafo, manoratra fampaherezana na manao zavatra mahafinaritrta izazy hanova ny tontolo androny….sy ny anao!Na iza na izaz ataon’Andriamanitra ao an-tsainao izao dia araho ny ohatr’i Jesosy ary manompoa azy ireo anio!
Nizara ny fetin’ny Paska tamin’ireo mpianany i Jesosy nanao hoe: “Naniry koa raha naniry Aho hiara-mihinana ity Paska ity aminareo, dieny mbola tsy mijaly Aho. Fa lazaiko aminareo fa tsy mba hihinana izany intsony Aho ambara-pahatanterak’izany ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra.” (Lioka 22:15-16)
Amin’ny maha-Zanak’ondrin’Andriamanitra tanteraka Azy dia nivonona i Jesosy hanatanteraka ny dikan’ny Paska amin’ny fanolorany ny tenany ho potehina, ary ny handatsaka ny rany ho sorona, nanafaka antsika amin’ny ota sy ny fahafatesana. Tao aorina’izazny sakafo izany dia nizara ny fiombonana niaraka tamin’ireo namany akaiky Jesosy ary nanafatra azy hoe “Ataovy izao ho fahatsiarovana Ahy”.
Raiso izao fotoana izao dia tsarovy Jesosy. Tsarovy ny fitiavany sy ny fiainany. Tadidio ny firehetany sy ny vavakany. Tsarovy ny famonjeny. Ampiasao izao fotoana izao ahatsiarovana TANTERAKA ny nataon’Andriamanitra anao amin’ny fiainanao ary ny mba ho feno fankasitrahana. Be fanantenana isika rehefa tsarovantsika ny nataon’i Jesosy ho antsika sy ny maha-Izy Azy!
Ny alin’io dia lasa tao an-jaridainan’i Getsemane Jesosy sy ny mpianany ary nivavaka tam-pahoriana tamin-drainy i Jesosy. Ory Jesosy raha nahita ny famadihan’i Jodasy, ny fandavan’i Petera ary ny Fahafatesany noho isika. Ny Filazantsaran’i Lioka dia manao hoe : “ny dininy dia tahaka ny rà nipotrapotraka tamin’ny tany” (Lioka 22:44)
Na tsapako azaz hoe mafy izany dia afaka mahita tanjona sy fanantenana isika anatin’ny fanaintainana. Rehefa haintsika tsara fa “Ny zava-drehetrta dia miara-miasa ahasoa izay tia Azy sy nantsoina araky ny fikasany rahateo”, dia afaka miaritra marary am-panantenana isika satria ny toe-javatra toa sarotra no takina voalohany amin’ny fahagagana.
Niaritra ny fanaintainana teo amin’ny hazo fijaliana Jesosy mba hiainanao sy izaho ny fahagagam-pamonjena ary ho avy feno fanantenana!
Mety mafy io tantara io fa mifikia amin’ny fanantenana sy fampanantenana’i Jesosy. Efa akaiky ny fitsaganan’ny maty!