• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • EN English
    • ES Spanish
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
Andro namoahana Mar 29, 2025

💪🏻 Mifanila amin’Andriamanitra !

Andro namoahana Mar 29, 2025

Imbetsaka ve ianao no nahatsapa ho kivy satria toa nanao zavatra nefa tsy nahitam-bokatra ?

Tena maharary ny mahita fa nandany fotoana, nanao ezaka, nandany vola… nefa tsy araka ny nantenainao no niafaran’ny zavatra nataonao. Nahazo izany traikefa izany koa aho, fa inoako hoe anisan’ny fianarana izany. Hoy ilay fitenenana hoe : "Indraindray mandresy isika, indraindray mianatra." 😊

Tsy tokony hatahorana ny tsy fahombiazana. Raha jerena amin’ny tantara, ireo olona tena nahomby dia tsy maintsy nandalo fahadisoana sy faharavana imbetsaka vao tonga tamin’ny tanjony. Ny zava-dehibe dia ny mianatra amin’izay tsy nety, ary ho ahy manokana, iray amin’ny lesona lehibe indrindra azoko dia ny hoe tsy te hanao zavatra intsony raha tsy mihaino an’Andriamanitra. Rehefa mihaino ny feony aho, dia mahatsiaro fiadanana amin’izay ataoko, ary mahita fa miha-mandeha tsara kokoa ny zava-drehetra.

Hoy ny Baiboly : “Raha tsy Jehovah no manao ny trano, Dia miasa foana ny mpanao azy.” (Salamo 127:1

Saintsaino anie e ! Raha Andriamanitra no manorina trano, moa tsy tianao ve ny hanampy Azy amin’izany ? Tsy zavatra mahafinaritra ve ny miara-miasa amin’Andriamanitra ? Tsara anie izany sary izany e!  Toy ny ankizy kely : tiany ery ny manampy ny ray aman-dreniny manao zavatra…

Ry namako, tsy misy tsara toy ny manaraka an’Andriamanitra isan’andro ary miara-miasa Aminy! Saingy mba hahavitana izany, dia mila mihaino Azy isika. Mivavaka aho mba ho feno fatratra ao aminao izany faniriana izany, mba hitombo hatrany ny fifandraisanao amin’Andriamanitra, ary hahafahanao mampiasa tsara kokoa ny fotoananao ho Azy sy miaraka Aminy.

Eric Célérier
Mpanoratra