• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Apr 7, 2024

๐Ÿ˜ƒ Mifaly ho anao Andriamanitra!

Andro namoahana Apr 7, 2024

isy ireo namana tena sarobidy tokoa.

I Jaona Mpanao Batisa dia nahafantatra mazava izay anjara sy tanjona ho tratrariny teto an-tany. Fantany mialoha fa ny hanomana ny fahatongavan'I Jesosy no asany, mba hanatanterahany ny asa fitoriana amin'ny fomba mahomby indrindra.

Rehefa nilaza taminy ireo mpianany fa handao azy mba hanaraka an’I Jesosy, dia novaliany tamina fanoharana iray izany manao hoe : “Izay manana ny ampakarina no mpampakatra; fa ny sakaizan'ny mpampakatra, izay mitsangana sy mihaino azy, dia mifaly indrindra noho ny feon'ny mpampakatra…” (Jaona 3:29)

Mahafinaritra ery izany fanoharana izany! Tsy ilay sakaizan’ny mpampakatra no hanambady. Nefa dia mifaly indrindra ho an’ny soa ho azon'ny sakaizany, ka tsy tanany ny hafaliany. Tahaka ny mahazo anjara amin'ny soa azon’ny sakaizany ihany koa izy. Toy izany indrindra ny fisehon'ny fitiava-namana tena mahatoky!

Ry namako, te hilaza aminao aho fa mifaly ho anao koa Andriamanitra. Mifaly amin'ny soa mahazo anao Izy, ary tiany raha hiaina karazam-pitahiana maro ianao, satria:

  • Sarobidy Aminy ianao
  • Manan-danja be ny fiainanao
  • Malala eo Imasony ianao
  • Ny fahasoavanao dia Fahasoavany

Andriamanitra dia ilay Sakaiza mety aminao indrindra! Lalina loatra ny fitiavany anao… eny, lalina loatra!

Anio, mankanesa eo anatrehany miaraka amiko, asandrato ny feonao ary misaora Azy noho ny fitiavany tapitr’ohatra.

Araraoty ny fisakaizanao amin’Andriamanitra anio.

Eric Cรฉlรฉrier
Mpanoratra

Eric Cรฉlรฉrier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.