• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Mey 18, 2026

Mifalia miaraka amin’ny hafa ianao! 😃😃

Andro namoahana Mey 18, 2026

"Nahoana ny hafa no tsara vintana? Ankohonana miray hina, salama tsara, vitsy faktiora… anefa ny mifanohitra amin'izany no hiainako matetika?"

Santionany amin'ireo antony maro mety hitarainantsika ireo, sa tsy izany?

Tamin'ity maraina ity, rehefa niala teo am-pandriana aho, dia feno fitsiriritana rehefa nandre ny mpiara-monina tamiko nankalaza tamim-pifaliana ny andro hialany sasatra. Nanakoako hatrany an-tranoko ny fihomehezan'izy ireo.

Inona hoy ianao no tao an-tsaiko voalohany? (tena menatra aho!)

“Ndrii… izaho koa mba maniry hanana andro tsy iasana!” 🙇🏻‍♀️

Raha tokony ho faly ho azy ireo aho, dia navelako hangalatra ny fifaliako ny eritreritro! Fa maninona aho no manao an’izany? Kanefa tsy tokony ho sarotra amiko ny hamily ny fisainako mba hiara-mifaly amin’ny hafa. Ka hitondra fifaliana ahy koa izany!

Eny tokoa, voasoratra hoe : 

Miaraha mifaly amin’izay mifaly, miaraha mitomany amin’izay mitomany.”( Romana 12:15 )

Tsy nampiany hoe : “Raha toa ka salama koa ianao.” 😉 Tsia, safidy ny fifaliana ! Afaka manasitrana ny fonao izany.

Tsarovy ilay tantara malaza momba ny zanaka adala. Afaka nifaly ny amin’ny fiverenanan’ny ilay zandriny izay very ka hita indray ilay zokiny lahy tao an-trano (Jereo ny Lioka 15:32 ).

Nimenomenona sy tezitra anefa izy! (Jereo ny Lioka 15:28) Ny fahasarotam-piarony dia nahatonga azy tsy hahita izay rehetra nananany (!) Ary tamin’ny fanaovana izany, dia nanimba an’io fotoana mahafinaritra io izy! Nifaly sy niravo ny hafa… 🎉 raha izy irery teo an-jorony, tsy faly. 🥺

Ny hasarotam-piaro dia hiezaka hanala amintsika hatrany izay tian'ny "fifaliana iombonana" hamerenana azy !

👉 Koa maninona raha mandany ity andro ity amin'ny maso misokatra mba hankalaza ny hafalian'ny hafa, fa tsy himenomenona rehefa toa manana tombontsoa bebe kokoa izy ireo ?

Fifanarahana ve izany? Hataontsika ve? ☺️ 

Fahagagana ianao!

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.