• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Mar 8, 2026

Miezaka mitaona anao ve ny olon-drehetra ?

Andro namoahana Mar 8, 2026

« Eh, afaka manao “tournée” iray manontolo miaraka aminao izahay. »

Vao tsy ela akory izay aho no nahazo ity antso ity – ary folo taona lasa izay, tena nofinofiko mihitsy ny handre tolo-kevitra toy izao avy amin’io mpikarakara malaza io.

Fa ankehitriny, hafa ny zava-misy. Maro ny antony tsy itiavako hanaiky ity tolotra ity, ary indrindra noho ilay fahatsapana ao anatiko lalina ao.

Izany indrindra no tiako horesahina aminao anio. Ao amin’ny Mpitoriteny toko faha-5, miresaka momba ny “fahendrena rehefa manapa-kevitra” – satria eo amin’ny fiainanao koa, mety hisy varavarana hisokatra tampoka. Kanefa tsy midika foana ho fiadanana ny varavarana misokatra. Ny sasany aza dia mitondra fikorontanana sy adin-tsaina fotsiny.

Ka ahoana ary no ahafantarana hoe fahafahana tsara sy lalana tsara indrindra nomanin’Andriamanitra ho antsika izany?

«Fa ny haben'ny fisasarana no mahatonga ny nofy; ary ny haben'ny teny no isehoan'ny rediredin'ny adala.. koa efao ny voadinao.» (nalaina avy amin’ny Mpitoriteny 5.2-3)

Tsy voaisa ireo fivoriana maro natrehiko tamin’ny fotoana mbola nalaza aho. Berlin, Hambourg, Londres, Vienne… feno tanteraka ny fandaharam-potoanako, ary ny mpitarika tsirairay, ny mpikarakara na ny hafa rehetra dia nilaza tamiko izay rehetra azo atao amiko sy miaraka amiko !

Araka ny voalaza ao amin’io andininy io : «ny haben'ny fisasarana no mahatonga ny nofy; ary ny haben'ny teny no isehoan'ny rediredin'ny adala » (Mpitoriteny 5.2)

Ary ankehitriny, azoko lazaina mazava tsara : rehefa  miara-miteny daholo ny olona rehetra, dia tsy ho renao intsony ny sitrapon’Andriamanitra !

Raha ny marina, tamin’izany fotoana izany, tsy te-handre izay nolazain’Andriamanitra aho. Satria nitady ireo nofy nolazain’ny olona tamiko aho, ary natahotra sao esorin’Andriamanitra ireo ! Efa nahatsapa toy izany ve ianao ? Ankehitriny, rehefa miverina mijery aho, dia azoko tsara.

Satria ny marina dia saika tsy mifandray intsony amin’ireo mpitarika sy mpikarakara ireo aho ankehitriny… Fa izaho kosa, mbola mahatsapa ho eo amin’ny toerana tena nirian’Andriamanitra ho ahy !

Azonao ve izay tiako ambara ? Izany no ahafahantsika milaza ho famintinana hoe: « Afaka mampanonofy anao ora maro ny olona amin’ny kabariny tsara… Fa Izaho, Andriamanitrao, no mampahatanteraka ny zavatra – raha matahotra Ahy ianao. »(mifototra amin’ny Mpitoriteny 5.6)

«Maneke Azy amin'ny alehanao rehetra, Fa Izy handamina ny lalanao. »(Ohabolana 3.6)

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.