• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Mey 4, 2025

🏝 Midira ao amin’ny Fahafenoany!

Andro namoahana Mey 4, 2025

Amin’ity anio ity isika dia mamarana ilay andalan-tsoratra masina miavaka ary hifantoka amin'ny andininy farany  manao hoe: "Fa tamin'ny fahafenoany no nandraisantsika rehetra, dia fahasoavana anampy fahasoavana. Fa ny lalàna dia nomena tamin'ny alalan'i Mosesy; [fa] ny fahasoavana sy ny fahamarinana kosa dia tonga tamin'ny alalan'i Jesosy Kristy. Tsy nisy nahita an'Andriamanitra na oviana na oviana ; fa ny Zanakalahy Tokana, Izay ao an-tratran'ny Ray, Izy no nanambara [Azy]" (Jaona 1: 16-18).

Nanomana fatran'ny fahafenoana manokana ho anao Andriamanitra. Tsy “ampahany” kely izany, fa  ao anatin'ny “Fahafenony” kosa, dia ilay fahatsapana ho feno tanteraka amin’ny zavatra rehetra mifandray amin’ny fiainana.

Jereo ny fomba hanehoana izany ao anatin'ny andalan-teny ity: “Amin’ny fahafenoany no nandraisantsika rehetra, dia fahasoavana anampy fahasoavana…”. Tsy zavatra mbola hitranga izany fa efa mitranga! Ary voalaza ihany koa fa samy naka tamin'io fahafenoana io isika rehetra... Noho izany, alaivo ny anjaranao! =)

Ny Fahafenoany sy ny Fahasoavany dia natokana ho anao, izay tsiambaratelo ny toerana hahitanao izany. Ao amin'ny toerana hihaonanao amin'ny Ray izany toerana izany, ilay  ahafahantsika manatona Azy satria rovitra ny efitra lamba tao amin’ny tempoly rehefa maty ho antsika Jesosy (Matio 27:51).

Ry namako, miandry anao ny hery sy ny fahafenoan’ny Fanatrehany.

Anio dia afaka manatona an’Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina ianao amin’ny alalan’ny lalana vaovao nosokafan’i Jesosy, ka hahafahanao miditra  ao amin'ny Fahafenoan’ny Fanatrehany.

Izaho manokana dia manao izany isan'andro ary manome toky anao aho fa tsy misy zavatra hafa azo ampitahaina amin'ireo fotoana ireo. Ary ianao, inona no andrasanao? 😉

 

Fahagagana ianao!

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.