• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Mey 29, 2025

😊 Midira amim-pahatokisana eo Anatrehany !

Andro namoahana Mey 29, 2025

Isan’andro isika dia mandroso amin’ity Salamo manokana ity, ary anio, hojerentsika hoe ahoana no fanomezan’ity andininy ity rafitra “sandwich”, araka ny filazako azy. Araho fa hasehoko anao 😉Izao no voasoratra : “Mihobia ho an'i Jehovah, ry tany rehetra. Manompoa an'i Jehovah amin'ny fifaliana; Mankanesa eo anatrehany amin'ny fihobiana.” (Salamo 100:1-2).

Efa hitantsika fa rehefa mahatsiaro ny fanatrehan’Andriamanitra isika ary miseho eo anatrehany, dia afaka manome voninahitra Azy amim-pifaliana. Anio dia, zavatra mitovy amin’izany ihany no hojerentsika (izay ilay hoe “sandwich” 😊).

Ireto misy zavatra telo tiako ampitaina amin’ity andininy ity :

  • Voalohany, miresaka fifaliana sy hafaliana indray izy rehefa miditra eo amin’ny fanatrehan’Andriamanitra. Tena Salamon’ny fifaliana tokoa ity ! Midika izany fa tian’Andriamanitra ianao ho faly, satria vokatra avy amin’ny Fanahiny izany. Hoy moa ny Soratra Masina hoe : “ny fifaliana avy amin'i Jehovah no fiarovana mafy ho anareo.” (Neh. 8:10).

  • Faharoa, tokony ataonao amim-pifaliana foana ny asa fanompoanao ary mitoetra eo amin’ny fanatrehany ianao: Ny asa ataonao  dia vokatry ny fifandraisanao Aminy, ary izany dia manosika anao hanompo Azy bebe kokoa. Izy no ivon’ny zava-drehetra, ka izay zavatra ataonao ho Azy dia mampifanakaiky anao bebe kokoa Aminy!

  • Fahatelo, azonao atao foana ny miditra eo Anatrehany. Angamba mahatsapa ianao hoe noho ny fahotanao dia nisy sakana teo aminareo, na hoe tsy tsapanao intsony Izy nefa tsy fantatrao ny antony
 Raha izany no ao an-tsainao, dia te hanampy anao aho anio mba  hanalanao izany lainga ao an-tsainao izany.

Tsarovy ilay andininy hoe: “Koa amin'izany, ry rahalahy. satria manana fahatokiana hiditra ao amin'ny fitoerana masina isika noho ny ran'i Jesosy (...) dia aoka isika hanatona amin'ny fo marina sy amin'ny fahatokiana be avy amin'ny finoana, manana fo voadio” (Hebreo 10:19-22)

Eny ry namako, afaka manatona ao amin’ny Fanatrehany ianao, amim-pahatokiana, amin’ny fo madio, amin’izay maha-ianao anao... Rehefa manao izany ianao dia ho hitanao fa hanova ny fahoriana sy ny alahelonao ho fifaliana lehibe Izy.

Midira eo amin’ny Fanatrehany – ary aza miala intsony! Fahagagana ianao !

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.