• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Jol 1, 2026

Miazakazaha ho eny amin’ny fahazavana 💡😎

Andro namoahana Jol 1, 2026

Mbola misy zavatra ve eo amin’ny fiainanao mety mbola mampatahotra anao hatrany hatrany?

Mety hoe ny ho avinao? Na sedra mila atrehinao nefa tsy hainao loatra hoe amin’ny fomba ahoana?

Te hiresaka aminao manokana momba ity andininy malaza ao amin’ny Jaona 8 ity aho anio.

Te hiteny aminao Jesosy hoe : “Ary Jesosy niteny tamin'ny olona indray ka nanao hoe: Izaho no fahazavan'izao tontolo izao; izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin'ny maizina, fa hanana ny fahazavan'aina.” (Jaona 8:12)

Tsarovy fa tamin’ny voalohany Andriamanitra dia namorona ny hazavana - izay vao namorona ny masoandro, ny volana sy ny kintana! Satria ny fanatrehany dia ampy hanazava antsika. 

Afaka vakianao ao amin’ny Apokalypsy : “Ary tsy hisy alina intsony; ary tsy mba mila fahazavan'ny jiro na fahazavan'ny masoandro izy...” (Apokalypsy 22:5)

Ary natokana ho anao anio koa izany, maniry ny ho fahazavana ho anao Andriamanitra. Tsy IRERY ianao ao anatin’io aizinao io! Raha mitady hanindry anao ny aizina- na ireo eritreritra ratsy - dia mihazakazaha any amin’ny Ray!

Manjavona ny aizina rehefa miseho Izy!

Eny, ny Fanatrehany dia manome anao ny fahazavana izay manavatsava ny aizina!

Manasa anao aho hiara-hivavaka amiko:

Ray o, afaho amin’ny tahotro aho, eny na ireo izay momba ny ho aviko. Tiako ho tsaroana lalandava fa ny ho aviko dia tena an-tananao! Noho izany dia hanam-po zavatra tsara izay efa nomaninao ahy foana aho. Amen’

Ny fanatrehanao = ny fahazavako izay manakisaka ny aizim-pito!

Fahagagana ianao!

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.