🔧 Miasa amin’ny inona ianao ?
Aminao, fitahiana sa ozona ny asa ?
Tany am-pianarana, nanana mpampianatra teny frantsay aho, izay tsy mpino. Nasongadiny teny foana ny fanoherana ny finoana isaky ny azony natao mba hamelezany izay mpino. Hoy izy indray mandeha hoe satria nandika lalàna i Adama sy Eva, dia nosazian’Andriamanitra isika olombelona rehetra, ka voatery miasa !
Misaotra an’Andriamanitra fa tsy izany velively no marina ! Alohan’ny nahalavoan’ny olombelona, dia efa nomen’Andriamanitra iraka i Adama sy Eva, mba hikarakara ny zava-boahary. Izany hoe, efa nisy asa nomanina ho azy ireo, ary asa tsara sady manan-danja izany !
Kanefa, misy faha-samihafana lehibe eo amin’ilay fitahiana :
-
Alohan’ny fahalavoana, feno fiainana sy fitahiana ny zavatra rehetra.
-
Rehefa lavo ny olombelona, tonga ny fahafatesana, fahoriana, ary fanandevozana. Na ny fambolena ny tany aza dia lasa sarotra sy manahirana !
Ary hatramin'izao, io ozona nateraky ny fahalavoana io dia mbola mitady hisy fiantraikany amintsika ihany : mahatonga antsika hiasa ao anaty tontolo feno vesatra, tsy amim-pahazotoana, tsy voakarama ara-dalana, mba hananana fidiram-bola hihoarana amin’ny fiainana fotsiny. Hany ka mikasa hanandevo antsika amin’ny alalan’ny fanovana ny endrika sy hasin’ny asa ilay fahavalo!
Niteny tamin’ny mpianany i Jesosy hoe : “Ny Raiko miasa mandraka ankehitriny, ary Izaho koa miasa.” (Jaona 5.17). Midika izany fa fitahiana avy amin’Andriamanitra ny asa, raha atao tsara ! Efa namboarin’Andriamanitra mialoha ireo asa tsara, izay kasainy hotanterahina amin’ny alalan’ny fiainanao.(Efesiana 2.10)
Ry namako, tian’Andriamanitra hotahiana amin’ny asanao ianao !- Tiany ho faly amin’ny asanao ianao,- Tiany ho afa-po amin’izay vitanao,- Tiany hotahiana amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainanao ianao.- Ary tiany koa ho fitahiana ho an’ny hafa ny asa izay ataonao !
Anatin’ny andro vitsivitsy dia hizara torohevitra aminao aho mba hanova ny fomba fijerinao ny asanao sy ny adidinao.Ho azonao amin’izay hoe ahoana no ahafahanao miaina tanteraka ny fitahian’Andriamanitra amin’ny asa ataonao ! Vonona ve ianao ?Fahagagana ianao!
