๐ Miantso anao Andriamanitra anio !

Toy ny isan’andro ihany ny andro tamin’izay. Nifoha maraina aho, dia nandehandeha teny amoron-drano teo akaiky teo.
Niaraka tamin’ny komity avy amin’ny fikambanana lehibe iray any Suisse aho tamin’izay. Efa niasa tao nandritra ny folo taona mahery aho ary nakany amin’io toerana mahafinaritra io izahay mba haka roa andro fandinihina.
Nametraka écouteurs aho, nihaino hira fiderana sady nivavaka hoe : “Jesosy ô, mba hazavao amiko ny hoaviko.” Raha ny marina, tsy haiko akory hoe nahoana no nivavaka toy izany aho, satria toa mazava ny zava-drehetra. Toa tsara be ny fiainako !
Tena tiako ny asa amin’ny maha-mpanoratra ny "Fahagagana isan’andro" ahy. Tiako ihany koa ny mandeha sy ny manangana tetikasa ara-tsosialy miaraka amin’ity fikambanana ity.Amin’ireny fotoana hoe “milamina daholo ny zava-drehetra” ireny, tsy dia mazoto mangataka fahazavana amin’Andriamanitra isika, sa tsy izany ? Tsy mahatsiaro hoe ilaina ilay izy.Davida aza niteny hoe : “Ary hoy izaho, raha mbola niadana: tsy hangozohozo mandrakizay aho!” (Salamo 30.6)
Fa ahoana kosa raha Andriamanitra mihitsy no mampijanona anao, na dia “toa mandeha tsara aza ny zava-drehetra”, mba tsy handeha amin’ny lalana diso ianao ?
Tsy ampy adin’iray akory dia namaly ahy tamin’ny fomba tsy nampoiziko Andriamanitra ! Hoy Izy tamiko : “Sokafy amin’io solosainao io ilay boky fisaintsainanao isan’andro iny.”
Teo aho dia namaky hoe : “Hiala amin’ity toerana ity ianao anio !”
Azonao an-tsaina ve ny niainako tamin’izany ? Tiako hambara aminao koa izany tenin’Andriamanitra izany, na dia andro “tsotra toy ny mahazatra” aza ny anio :“Aza mandeha amin’ny fahazarana amin’ity lalana ity, fa miantso anao hiala eto Andriamanitra.” Tiany ny hamaly ny fangatahanao momba ny fanazavana ny fiainanao!
“Ny ondriko mihaino ny feoko, ary Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy.” (Jaona 10.27)
Te-hihaino ny feony ve ianao anio ? Vonona ianao hihaino Azy ?
Fahagagana ianao !

