• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Mey 18, 2023

Miantoka mandrakariva ny fiainanao Andriamanitra

Andro namoahana Mey 18, 2023

 

Indraindray eo amin'ny fiainana dia manana hevitra sy eritreritra maro isika, saingy tsy fantatsika izay lalana tokony halehantsika.Ny fiantohana sasany dia mitondra fahatsapana tsara ho antsika, toy ny firotsahana an-tsehatra amin'ny fiainan'ny olona iray, ny fanompoana ao am-piangonana, ny fanomezana fotoana ho an’olona iray izay tena mila izany, sns. Ary ianao, efa nanao fiantohana tsara toy izany ve ianao?Taona vitsivitsy lasa izay, fony aho niandraikitra ny vondron'ny tanoran'ny fiangonana, dia nikarakara hetsika maro iarahana manao aho. Nila nanomana ny zava - drehetra mialoha aho, ezaka sy vola, ary indrindra fotoana.Mazava ho azy fa fiantohana lehibe ho ahy izany! Saingy ny vokany dia sarobidy kokoa ho ahy : ny ankamaroan’ny tanora dia afaka niaina fihaonana tamin’I Jesoa tamin’ny fotoana iray. Ankehitriny, manompo an’Andriamanitra amin’ny fony manontolo izy ireo any am-piangonana. Niova mandrakizay ny fiainany.Tsy misy fiantohana tsara noho izay miteraka fiainana. Ary izany no ataon'Andriamanitra aminao ry namako! Izy dia miantoka ny fiainanao madrakariva.Omeny anao isan’andro ny fiainany. Manampy anao amin'ny zavatra rehetra ilainao Izy ary miasa amin'ny lafiny rehetra eo amin'ny fiainanao.

  • Miresaka aminao Izy rehefa mitady Azy ianao.
  • Mampionona anao izy rehefa malahelo ianao.
  • Mampianatra anao amin'ny toe-javatra rehetra Izy.
  • Manampy anao Izy rehefa misy olana.
  • Entiny eny an-tsandriny ianao rehefa mijaly.

Tahaka ny ray tsara iray izay miantoka ny fiainan'ny zanany, dia mampiasa ny fiainany ao anatinao koa Andriamanitra! Ianao no anton’ny fitiavany sy ny nofiny. Tiany ny hahita anao hitombo ho tonga tahaka an’i Kristy.Eny, ry namako, ianao no fiantohana tsara indrindra ataon'Andriamanitra! Hoy ny Baiboly: "Izay nanomboka izany asa tsara izany taminareo, dia hanohy izany mandra-pahafenony, dia ny andr

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.