Miankina amin’inona ny fahasambaranao?
Ankasitrahanao ve ireo olona izay nahavita mihoatra noho ianao amin’ny lafin-javatra sasany?
Mino aho fa mba maniry ho toa azy koa ianao indraindray, sa tsy izany?Toa tahaka ny tsotsotra kokoa ny fiainan’izy ireo : Tsy sarotra ho azy ireo ny mandray vola any amin’ny banky, manana fifandraisana izay tena nofinofisanao izy, imbetsaka izy ireo no mandeha maka rivotra ao anatin’ny taona iray… ary mihoatra izany koa!
Eny, mazava ho azy, mahafinaritra avokoa izany rehetra izany rehefa fanomezana avy amin’Andriamanitra. Fa ny fiainana toy izany raha maharitra ela dia tsy tsara raha tsy Andriamanitra no nanolotra azy!
Solomona mpanjaka, tamin’ny fitondrany, dia nilaza fa : “Ary koa, ny olona rehetra izay omen'Andriamanitra vola aman-karena sady omeny fahefana hihinanany azy sy hahazoany ny anjarany sy hifaliany amin'ny fisasarana, dia fanomezan'Andriamanitra izany.” (Mpitoriteny 5:18)
Fa hiverina amin’ny Habakoka isika, izay ifantohantsika mandritra ny andro vitsivitsy. Tsarovy fa ity farany dia tena diso fanantenana tanteraka tamin’ny manodidina azy, izay tsy mba misy tahotra an’Andriamanitra velively! Mangalatra izy ireo, mamitaka, mamotika, tia vola ary mihomehy ny hafa (Habakoka 1:7-11)
Indrisy, itantsika fa tsy mbola niova izao tontolo izao mandrak’ankehitriny!Voalaza fa : “Dia mihelina toy ny rivotra izy Ary mandroso ka mahazo heloka. Izany heriny izany no andriamaniny! “ (Habakoka 1:11)
Eny, “rehefa mety”, moramora kokoa ny misandratra manoloana fakan-tsary ka miteny hoe : “Izao rehetra izao dia notanterahiko samirery.” Rehefa mety dia finaritra ery ny ambopo, tonga amina fetim-pianakaviana miaraka amin’ilay fiara faran’izay raitra mba handraisana doka sy sitraka avy amin’ireo havana : “Jereo ny zava-bitaKO.”
Misy zavatra iray izay tokony tefenao ao am-ponao, na manan-karena ianao na mahantra, na mahomby na “tsinontsinona” ho an’ny tenanao:
Tsy miankina amin’izay anananao ny fahasambaranao, fa amin’Ilay anananao!Tsy amin’izay zava-bitaNAO, fa Ilay nanolotra anao izany ho fanomezana!
“... ny fonenan'ny marina dia tahìny… Dia omeny fahasoavana kosa ny mpandefitra.” (jereo Ohabolana 3:33-34)
Misy mahita ianao - ary misy mpitia! … ary faly Andriamanitra raha matoky ianao, mibanjina Azy: “rehefa milamina ny zava-drehetra”, sy “rehefa mikorontana ny zava-drehetra”!
Fahagagana ianao!