• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Okt 18, 2025

Miandry anao izao tontolo izao 🌍

Andro namoahana Okt 18, 2025

Tia mizahan-tany ve ianao? Tena tiako indrindra izany! Mahaliana ahy ny mahafantatra toerana vaovao sy kolon-tsaina vaovao.

Hitako fa mahafinaritra izao tontolo izao! Indrisy anefa, fa dia hanjakan’ny haizina ihany koa izany. Eny, nametraka teti-dratsy izay antsoina koa hoe “izao tontolo izao’ ilay fahavalo, ka nosalorany ny anarana hoe mpanjakan’izao tontolo izao.

Fa vaovao mahafaly no hambarako! Jesosy ilay Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo! Efa resiny ny devoly ka indro atolony antsika ny fandresena “izao tontolo izao”, hanoherana ny teti-dratsin’ny haizina.

Izany indrindra no ambaran’ny Apôstôly Jaona : “Fa izay rehetra naterak'Andriamanitra dia maharesy izao tontolo izao; ary ny fandresena izay enti-maharesy izao tontolo izao dia ny finoantsika.” (I Jaona 5:4)

Izany no tena fiasan’ny finoana:

  • Ny finoana no mahatohitra ny fakam-panahy.

  • Ny finoana no mampitraka anatin’ny fotoan-tsarotra.

  • Ny finoana no mitondra fifaliana feno rehefa mitady hamandrika ny alahelo.

  • Ny finoana no manampy anao handre ny feon’Andriamanitra, na dia anatin’ny tontolo feno kotaba aza.

  • Ny finoana no mampamirapiratra anatin’ny haizina.

Eny, efa nandresy izao tontolo izao ny finoanao! Tsy mahatsikaritra ve ianao hoe efa azonao izany? Ary efa “nandresy” izao tontolo izao ny finoanao? Tsy mila miady intsony ianao mba hahazoana fandresena amin’ny sehatra rehetra. Efa mitondra fandresena ho anao ny finoanao! Ny hany ady atrehintsika dia “ny ady tsaran’ny finoana’, ady mba hihazonana tsara izany finoana izany.

Mitondra fandresena ho anao ny finoanao, sy fitahiana ho an’ireo manodidina anao ary manova izao tontolo izao.

Mino aho fa ireo fanalahidy nozaraina taminao nandritra izay andro vitsivitsy lasa izay dia ho fitahiana lehibe ho an’ny fiainanao, ary hanampy anao mba hampivoatra izany finoana izany, mihoatra noho ny hatramin’izay.

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.