🔥 Miandry anao ireo fahagagan’Andriamanitra!
Tonga eto amin’ny faran’ity fampianarana nomena ny lohateny hoe : “Lanitra misokatra” ity isika ary anio dia tiako ny haneho fahamarinana tsy dia tazana firy koa : ny fahefana hananantsika ao amin’i Kristy.
Mahakasika ahy manokana ilay tantaran’i Jesosy nanasitrana ilay moana marenina. Ny Baiboly dia milaza fa nalainy nitokana izy ary :“...niandrandra ny lanitra Izy, dia nisento ka nanao hoe: Efata, izany hoe: Maladia.” (Marka 7:34). Handeha ho jerentsika ny fizotran’io andininy io:
-
Nalain’i Jesosy mitokana izy mba ahafahany mitondra am-bavaka azy milamina. Izany no tokony ataontsika amin’ireo olantsika sy ny manahirana antsika: entina mitokana ao anaty vavaka.
-
Nanandratra ny masony ho any an-danitra Izy. Isika koa dia tokony mibanjina ny Lanitra ka ahita ny zavatry ny tany miaraka amin’ny masom-pinoana. Isika dia mandalo ihany fa ny fahamarinan’ny lanitra dia mandrakizay.
-
Nanokatra manontolo ny fony Izy ary tsy nionona tamin’ny vavaka tsotra fa navelany nisokatra tamin’Andriamanitra ny fony.
-
Nanambara ny fampanantenan’Andriamanitra Izy. Fantany fa nanana ny fahefana hanasitrana ny marary Izy ary rehefa nifototra tamin’izay finoana an’Andriamanitra izay dia tam-pinoana no nitenenany mafy izay tiany hitranga.Â
Fantatrao inona ny vokatra? Tsy moana sy narenina intsony ilay lehilahy! Nitranga ny fahagagana!
Miandry anao ny fahagagan’Andriamanitra. Anio ilay andro hibanjinanao ny Lanitra, hiantsoanao an’Andriamanitra avy amin’ny aty lalin’ny fonao ary hanambaranao mafy ireo fampanantenany amin’ny tranga atrehinao.Â
Anio ny andro hitenenanao amin’io lalovanao io hoe “Mivoaha” sy hanambaranao am-pahefana hoe :”Mangina! Mitsahara !” amin’ilay rivo-mahery manohitra anao (Marka 4:39).
Mivavaka aho anio mba ahafahanao mandeha ao amin’izany fahefan’ny Fanjakan’Andriamanitra izany, sy hiainanao ny Lanitra misokatra amin’izay ataonao rehetra ho voninahitr’Andriamanitra.Â
Momba anao sy miady ho anao foana ny Tompo.