๐ Miambena hatrany

Tsikaritrao koa ve fa mihavitsy ny tsiky amin'izao fotoana izao ?
Niantsena aho tato ho ato, dia nahatsikaritra zavatra tsy mbola tsapako teo aloha : tsy misy mitsiky mihitsy ny manodidina ahy, eny fa na dia ny fifanojon’ny maso aza dia toa nialana! Nifanena tamina vehivavy nitomany aho…
Mazava ho azy… azoko tsara izany ! Raha jerena ny toe-draharaha maneran-tany ankehitriny, dia toa tsy misy toerana firy ho an’ny fifaliana, ny fihomehezana, na ny fety. Mihamaro ny fijaliana amin’ny endriny samihafa, dia lasa sarotra ny mifaly amin’ny fiainana.
Omaly aho dia nizara ity andininy ity taminao : “Mahonòna tena, miambena: fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany; tohero izy, ka miorena tsara amin'ny finoana ianareo .” (1 Petera 5.7-9a)
Anio, miainga amin’io andininy io ihany, dia te hifantoka amin’ireto teny ireto aho : "Mahonona tena, miambena!"
Tadidiko, tamin’ny andron’ny skoto. Nandritra ny lasy nataonay, dia nifidy skoto roa ho mpiambina amin’ny alina izahay. Indray alina, nahita lambo roa nikendry ny tranolainay izahay ! Tena loza ny saika nitranga! Raha tsy nifoha sy mailo izahay, dia mety ho rava tanteraka ny zava-drehetra.
Maro ny zavatra mety hiseho tampoka… ka noho izany miambena hatrany eo amin’ny fiainana.
Mitandrema mba tsy hanome toerana be loatra an’ny ahiahy ka hanadino an’Andriamanitra. Aza mandany fotoana be amin’ny vaovao ratsy mihoatra noho ny fotoana laninao amin’ny fihaonanao amin’Andriamanitra. Aza mandany fotoana maro hiresahana amin’ny namanao hoe “mahatsiravina izao rehetra izao”, fa apetraho amin’Andriamanitra ireo ahiahinao… satria Izy te hiahy anao!
Izay hitantsika sy fantatsika ihany no azontsika zaraina amin’ny hafa!
Koa iza no fidinao hinoana sy hifantohana kokoa amin’izao fotoana izao? Hoe lehibe ny olanao sa lehibe ny Andriamanitrao?
Aoka ho tony ary miambena! … Ary aza adinoina ny fahagagana miandry anao anio – izay azonao zaraina amin’ny hafa amin’ny tsiky iray! ๐
Fahagagana ianao !

