Miala sasatra ve Andriamanitra?
“Andriamanitra ô, tsy tsapako Ianao, nefa efa nanapa-kevitra aho hiaina MIARAKA AMINAO!”
Fantatrao tsara angamba ireo eritreritra ireo! Ireo fotoana izay tsapantsika hoe toa “miala sasatra” Andriamanitra… “Tsy afaka mamela hafatra akory ve Izy ahafantarako hoe mbola eo?”
Raha izany no mitranga, dia misy zavatra tian’Andriamanitra hampianarina anao !
Tiany hivelatra mihoatra lavitra noho izay noheverinao hatramin’izay ny finoanao! Atosiny ianao hatoky Azy. Fantany fa afaka manao izany ianao, mba hahatratra ilay ranomasin’ny zava-mahagaga miandry anao any an-dafin’ilay “finoana kely” anananao !
Fa amin’izany, mila milomano aloha ianao…
Izany mihitsy no mitranga rehefa any an-dranomasina ianao, milomano ianao ary tampoka teo, voakasiky ny onja .
Misy onja tonga sy miverina. Indraindray avo be izy ireny ka afaka mitsambikina ao anatiny ianao (izay tena mahafinaritra!). Indraindray kosa malefaka be, zara raha mihetsika.
Toy izany koa ny finoana. Toy izany koa Andriamanitra. Indraindray tsapanao mafy be Izy eo amin’ny fiainanao, toy ny hoe afaka mitsambikina ao anaty onja ianao. Fa indraindray kosa tsy misy na inona na inona mitranga, tsy misy “onjan’ny finoana” hitanao. Kanefa i Jesosy, tahaka ny rano, dia eo foana.
Angamba milamina be ny rano amin’ny fiainanao amin’izao, ka tsy tsapanao Andriamanitra, ary mampanahy anao izany. Raha izany, tiako ampahatsiahivina anao : “Mitsapa ny finoanao Andriamanitra !”
Eny, mety ho toy ny zavatra ratsy izany amin’ny voalohany saingy tena tsara izany ! Satria midika izany fa matoky anao Izy, ary tiany ny hanome zavatra bebe kokoa anao !
“Fa raha isika manantena izay tsy mbola hitantsika, dia miandry amin'ny faharetana.” (Romana 8:25)
Mijoroa tsara ary fa ho avy ny onja manaraka!
Raha tafiditra ao anatin’ny ranomasin’ny fitokisana ianao, dia entin’ny onjan’ny finoana!
Fahagagana ianao!