• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Mey 31, 2025

đŸŒ± MialĂ  sasatra eo amin’ny ahi-maitso !

Andro namoahana Mey 31, 2025

Tena tiako ity Salamo 100 izay dinihintsika ity. Izao no andininy amin’ny anio : “olony sy ondry fiandriny.” (Salamo 100:3)

Tena tiako ny fomba nilazan’ny mpanoratra azy : isika no ondriny eo amin’ny ahi-maitso. Midika izany fa isika dia ondry manana zo hiditra amin’ny ahitry ny Tompo, mba hampangatsiahana ny tena, ary hialana sasatra.

Mampatsiahy ahy ny Salamo 23 izany, rehefa nilaza toy izao i Davida mpanjaka momba an’Andriamanitra : “Mampandry ahy amin'ny ahi-maitso Izy; mitondra ahy eo amoron'ny rano fialan-tsasatra Izy.” (Salamo 23:2)

Eny, izany mihitsy no anjarantsika sy lovantsika ao amin’Andriamanitra : miditra isan’andro, isa-minitra ao amin’ny ahitra feno ny Fanatrehany, ary miaina ny fitahiany eo amin’ny fiainantsika.

Tsy maninona na inona na inona lazain’ny zava-misy iainantsika. Ny marina dia hoe : satria isika olon’Andriamanitra, dia efa nanomana Toerana mahafinaritra Izy mba ahafahantsika mihaona Aminy, ary manasa antsika ho ao amin’izany isaky ny tiantsika.

Saintsaino izao sary asehon’ny Salamo 23 izao :

  • Ahitra maitso tsara tarehy, rakotra bozaka maitso sy midoroboka

  • Toerana feno fiainana sy fitahiana ka io ahi-maitso io no toerana mendrika hitsotsorana sy hakana aina

  • Misy renirano tony mikoriana eo akaiky eo, ahafahanao manala hetaheta eo amin’ilay rano mangarahara isaky ny ilainao.

  • Ny marina dia Andriamanitra mihitsy no mitarika anao ho eo amin’izany rano izany, ary manome fahatoniana ny fanahinao izay tena mila izany.

Tena mahafinaritra e! Sa tsy izany ? Tsy haiko aloha ianao, fa izaho, dia tena maniry ho eo amin’ilay ahi-maitso feno ny Fanatrehan’Andriamanitra foana ! 😊

Ry namako, zanak’Andriamanitra ianao, ary manana fahafahana hiditra amin’izany toerana sarobidy izany isaky ny tianao. Noho izany, aza adino mihitsy ny fotoana hiakaranao ao, ary avelao Izy hanome anao hery sy hanome fahafenoana ny fonao !

Mivavaka ho anao aho, ary ato am-poko ianao.

Fahagagana ianao !

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.