Miady ho anao ny Tompo
Efa nanana fahatsapana ve ianao hoe tsy misy mandeha amin’ny laoniny ny zavatra rehetra ?
Nisy fotoana maro izay nahatsapako ara-bakiteny fa teo afovoana ady aho.
Nandritra ny vanim-potoana maro teo amin’ny fiainako dia niaina tranga feno tsy fifankahazoan-kevitra, tsikera ary fifandirana aho manodidina ahy…ary tsapako ho tsy dia tsara loatra sy tsy nahavita izay nandrasana tamiko aho.
Ny nanampy ahy betsaka indrindra rehefa nandalo ireo toe-javatra ireo dia ny nahita ny fomba nanomban’Andriamanitra ahy tamin’ny antsipiriany rehetra.
Na tamin’ny fotoana nivavahako tamin’Andriamanitra na tamin’ny zavatra kely teo amin’ny fiainana andavanandro dia afaka nahita ny valinteniny aho. Toy ny hoe mandefa teny kely ho ahy izy milaza hoe: “Anaka, eto aho, tsy nandao anao aho, tohizo hatrany!”
Nanamafy ny finoako izany, nitarika ahy ho amin’ny fandresena kely, avy eo fandresena lehibe kokoa, ary indrindra ho amin’ny fanovana ny fiainako.
Ambaran’ny Baiboly ny tantaran’i Elisa, sy ny fomba nihodidinan’ny fahavalony mba hisambotra azy. Ary rehefa raiki-tahotra ny mpanompony, dia hoy Elisa taminy : « Aza matahotra; fa ny momba antsika dia be noho ny momba azy. » (2 Mpanjaka 6. 16,) Nanomboka tamin’izay dia hitany tao an-tsainy ireo tafika avy any an-danitra nameno ny havoana ary tonga hiaro azy ireo.
Ry namako, angamba mahatsiaro ho kivy ianao androany ary manana faniriana iray ihany : ny hitaraina amin’Andriamanitra noho ny zava-mitranga aminao… Saingy aza manao izany! Aza miady amin’ilay olona miady ho anao.
Ho solon’izany, miraisa Aminy ao anatin’io ady io ary “miadia ny aditsaran’ny finoana” (1 Timoty 6.12,) Sarobidy loatra Aminy ianao ka miady ho anao Izy, miaraka amin’ireo miaramilan’ny lanitra tsara indrindra.
Androany, hamafiso ny finoanao, mitsangàna ary mandehana ho amin’ny fandresena ! Fantatro fa vitanao izany.