• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Jon 29, 2025

👊 Miady ho anao Andriamanitra !

Andro namoahana Jon 29, 2025

Inona no zavatra mampanahy anao indrindra anio ? Inona no zavatra atahoranao indrindra ?

Araka ny fanadihadiana nataon’ny oniversiten’i Pennsylvanie any Etazonia, dia 91 % an’ny zavatra mampanahy antsika dia tsy ho tanteraka mihitsy akory. Mahagaga! Midika izany fa saika ny tahotra rehetra ananantsika dia tsy nilaina akory: sady tsy mahasoa, nefa dia mbola manavesatra antsika sy mampiala antsika amin’ny tena zava-dehibe koa.

Ny tahotra no fototry ny ahiahy, ary iray amin’ireo fitaovana mahery vaika indrindra ampiasain’ny devoly hifehezana ny fiainanao. Amin’ny alalan’ny tahotra, ny fahavalo dia te hanakorontana, hanimba, hampitahotra, hanakana anao… mba hahatonga anao tsy hahazo ireo fitahiana efa nomanin’Andriamanitra ho an’ny fiainanao.

Izany no antony, amin’ity “ady tsara amin’ny finoana” ity, dia ny finoana no lakile hahafahanao miala amin’ireo tahotra rehetra. Fa nahoana ianao no handany fotoana hino zavatra tsy hitranga akory anatin’ny 91% ny tahany?

Izany no antony hamerenan’Andriamanitra imbetsaka ao amin’ny Baiboly ny hoe : “Aza matahotra azy ianareo”, toy ny amin’ity andininy manambara hoe : “Aza matahotra azy ianareo; fa Jehovah Andriamanitrareo no hiady ho anareo.” (Deoteronomia 3:22).

Eny, ry namako, miady ho anao Andriamanitra ! Atolory Azy ny tahotrao rehetra, ny ahiahinao sy ny tebitebinao, ary avelao hameno anao ny fiadanany. Noforoniny ianao mba hiaina tsy amin-tahotra !

Mihoatra noho ny mpandresy ianao ao Aminy ! Fahagagana ianao

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.