đ Miadam-pinaritra ianao!
Efa renao ve izay fomba fiteny izay hoe âmiadam-pinaritra ianaoâ? Ampiasaina izay fomba fiteny izay mba ilazana hoe tena milamina tanteraka isika.
Indraindray ny fiainam-boninahitra dia lavitry ny zava-misy marina. Eny, rehefa tojo olana isika, ka mamely antsika ny tsy fitoniana, dia tsy fantatsika izay tena tokony atao, sy ny fomba hialana aminâizany. Aminâizay fotoana izay dia mety hahatsapa mihitsy aza isika hoe tsy misy fanantenana intsony. Kanefa tsarovy mandrakariva : ny Andriamanitsika dia Andriamanitry ny Fanantenana! Te hamerina fanantenana marina sy feno voninahitra ao anatinao Izy.
Izany no nolazainâny apostoly Paoly rehefa nanoratra izy fa ilay Kristy anatintsika dia ilay âFanantenana ny voninahitraâ (Kolosiana 1:27). Tiako koa ity dikan-teny espaniola ity hoe : âAry ny tsiambaratelo dia i Kristy miaina ao anatinao. Mahazo matoky ianao fa mandray anjara aminâny Voninahiny.â Manana fanantenana izay mihoatranâizao tontolo izao isika, kanefa miainga aminâizao tontolo izao: izay ilay fanantenana ny hiaina anatinâny voninahitrâAndriamanitra. Ary tsy hoe rehefa any an-danitra ihany isika, fa eto an-tany koa.
Mandritra ny andro vitsy, da handalina momba ilay fanantenana marina omenâAndriamanitra isika rehefa tojo fotoan-tsarotra.
Hiara-hivavaka isika âTompo ĂŽ, misaotra fa noho ny Aminao dia manana fanantenana feno voninahitra mameno anay izahay ka manampy anay handroso, na aminâny fotoan-tsarotra aza. Mivavaka aho mba ho fenoinao ny fanantenanao isanâandro isanâandro, ka hijereko izao tontolo izao araka ny fijerinao. Aminâny AnaranâI Jesosy, Amena.â
Ato am-poko ianao.