🫣 Mety miafina ao ambadiky ny olanao izany
Rehefa nanomboka namaky ny filazantsaran’i Lioka hatramin’ny voalohany aho ka “tafajanona” sahady tao amin’ny toko voalohany, dia tsy nahita tory nandritra ny alina iray manontolo.
Hamaritako fohifohy ny tantara: Zakarìa dia nampahafantarin’ny anjely fa ho lasa ray ihany izy ny farany ! Fa tsy vitany ny nino izany:
“Koa, indro, ho moana ianao ka tsy hahay miteny ambara-pahatongan'ny andro hisehoan'izany zavatra izany, ho valin'ny tsy ninoanao ny teniko, izay ho tanteraka amin'ny fotoany.” (Lioka 1.20)
Nandinika lalina momba an’io aho, hany ka tsy nahita tory nandritry ny alina, niaraka tamin’ny feo mafy tao amin’ny sofiko. Tsy izany fa tamin’ny fotoana nankanesako tamina hetsika iray dia nataoko mafy loatra ny écouteurs-ko ka mety ho vokatry izany izy io.Azontsika atao mihitsy aza ny mihevitra izany ho toy ny “famaizana”: “Hadisoanao ihany no nahatonga an’izao.”
Na izany aza, ahoana no fahitanao an’Andriamanitra? Mihevitra ve ianao fa Andriamanitra dia manao toy izany? Izaho aloha tsia. Ary noho izany, niaraka tamin’ny tantaran’i Zakarìa tao an-tsaiko, dia noraisiko tamin’ny fomba hafa ity olana ity. Nangataka tamin’Andriamanitra aho hoe: “Misy zavatra tianao holazaina amiko ve saingy tsy henoko satria diso variana loatra aho? Tsy maintsy manaitra ahy amin’ny misasakalina sy mampifantoka ahy amin’ny sofiko ve Ianao mba hiainoako Anao?”
“Mitenena, fa mihaino ny mpanomponao!” (1 Samoela 3.10)
Fantatrao ve ny zava-mitranga rehefa ahodinao ny toe-draharaha? Rehefa ny fanaintainanao sy ny zavatra rehetra mety hampahatezitra anao no avadikao ho fanontaniana? Manafoana ny fifalian’ilay fahavalo miezaka ny hanimba anao ianao amin’izay! (jereo Jaona 10.10)
Eny, azonao esorina ny fifalian’ilay te hanaisotra an’izany aminao!
Ary satria fantatro fa tsara Andriamanitra, dia mino aho fa rehefa tonga ao am-poko ny zavatra tiany holazaina amiko, dia afaka mampitony sy manasitrana – ilay feo nanelingelina tao amin’ny sofiko koa Izy! (Jereo Lioka 8.50 sy Marka 9.23)Ahoana no fomba tokony hihainoanao? Ahoana no fomba ahafahany miresaka aminao? Ary amin’ny sehatra inona no hinoanao fa te-hanao soa aminao Andriamanitra?
