• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Feb 16, 2026

Mety ho mankahala azy ve ianao? 😬

Andro namoahana Feb 16, 2026

 “Iza ilay olona izay tsy vitanao ny mamela ny helony? Ka rehefa mihaona ianareo dia miafara amin’ny fifamaliana foana izany?”

Aza taitra : hahatsiaro ho voakasika anatin’izany ny rehetra eto - ary ity andininy ity dia hampieritreritra antsika : 

Izy no isaorantsika ny Tompo, dia ny Ray; ary izy ihany koa no anozonantsika ny olona, izay natao araka ny endrik'Andriamanitra. Ny vava iray ihany no ivoahan'ny fisaorana sy ny fanozonana. Ry rahalahiko, tsy mety raha misy izany.” (Jakoba 3.9-10)

Aïe. Aïe. Aïe. Eo amin’io sehatra io mihitsy no nanairan’Andriamanitra ahy. 🫣 Vao avy nivavaka mafy aho.. Ary minitra vitsy aty aoriana, dia tsikaritro niteny zavatra ratsy mikasika olona iray aho rehefa tafaraka tamin’ireo namako…

Te hanamari-tena aho : “Fa Tompo a, hitanao fa tena sarotra be… ary tena manahirana iny olona iny…”

⚠️ Matetika ny fahavalon'ny fanahintsika dia miasa amin'ny alalan'ny fialonana sy fifandirana mba handrava ny firaisankina eo amin'ny mpino sy hamafy korontana.⚠️ Inona ary no atao ?

Mamaly antsika ny Baiboly : “Fa raha misy fialonana mirehitra sy fifampiandaniana ao am-ponareo, aza mirehareha na mandainga manohitra ny marina. Izany fahendrena izany dia tsy ny avy any ambony, fa araka ny etỳ an-tany ihany, araka ny nofo, araka ny an'ny demonia. Izay misy fialonana sy fifampiandaniana dia misy fikorontanana mbamin’izay asa ratsy rehetra.” (Jakoba 3.14)

Raha ny momba ahy, ny "heveriko fa fahendreko" dia avonavona fotsiny : “Mahay lavitra noho io olona io aho…” ary - aïe, ratsy be ny mihaino izany - fa ara-nofo loatra, tena devoly izany. 

Mila tonga saina ianao fa misy fanahy minia mitady hamafy korontana. Izany no mahatonga an’i Paoly nanoratra momba “ny olona manahirana” sy ny famelan-keloka : “Fa izay avelanareo heloka dia mba avelako heloka koa;... fandrao ho resin'ny fitak'i Satana isika, fa fantatsika ny hafetseny.” (2 Korintiana 1.10-11)

Ary hainao ve hoe ahoana ny handaminako izany trangan-javatra izany? Isaky ny misy eritreritra ratsy momba io olona io tonga ao an-tsaiko, dia sakanako izany ary mivavaka aho : “Ray o, MISAOTRA Anao aho amin’iny olona iny. Hotahiana izy amin’ny anaran’i Jesosy”

Rehefa mamela heloka isika, dia rakofan’Andriamanitra amin’ny fiarovany.

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.