• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Des 3, 2025

Mety ahasambatra anao izao…

Andro namoahana Des 3, 2025

Fantatrao ve hoe inona no tena ahasambatra anao? Ny fahafantarana fa eo amin'ny toerana mety ianao!

Maheno namana maromaro aho amin'izao fotoana izao milaza hoe : "Te hiala amin'ny asako aho. Marina fa mahavelona ahy ilay izy, fa efa an-taonany maro aho no tsy mahatsiaro sambatra."

Eny, toa mitombona izany fomba fijery izany. Kanefa isaky ny malahelo ianao any amin’ny toeram-piasana dia mamatsy eritreritra ratsy ho an’ny fonao. Tsy midika izany akory hoe izay rehetra malahelo any amin’ny toeram-piasany dia tsy maintsy mametra-pialana avokoa…

Misy foana ilay vahaolana MAHAFINARITRA iray, dia ny mivavaka ho an’ny asa, ny mpiara-miasa sy ny mba hiovan’ny zava-misy! Mety hoe ianao mihitsy no tena ilain’ilay orinasa! Izay no mahatonga ny hoe raiso am-pahendrena ny fanapahan-kevitra.

Mety mahatsiaro malahelo ianao izao, satria tsy amin’ny toerana tokony misy anao!

Angamba ianao miafina ao ambadiky ny fialan-tsiny, manao hoe : “Ay, hitanao, efa izao foana no zava-misy, tsy misy azoko atao momba izany.” Mahotra ianao ny hiala amin’ny fiainana mahazatra.

Te hampandeha anao ambony rano Andriamanitra, koa mivoaha amin’ny sambo!

“Tandremo ny fanompoana izay noraisinao tao amin'ny Tompo mba hahatanterahanao izany.” (Kolosiana 4:17)

Ny fanontaniana tiako apetraka aminao anio mba hinoako fa hiaro ny fonao ianao amin’izany lafiny izany dia ny hoe : “Tena amin’ny toerana tian’Andriamanitra hisy anao tokoa ve ianao?”

Fa indrindra koa : “Sao dia tsy mampahazo aina anao ilay toerana dia lotoinao ny fonao, fa tsy mivavaka ho an’ny zava-misy ianao mba hiaina zava-mahagaga?”

Manasa anao aho handinika izany. Mivavaha ary mivoaha amin’ny sambo!

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.