Meteza ho mahatoky amin’Andriamanitra, dia hikarakara ny ambiny izy.
Tsy mora ny mitady asa ary indraindray dia tena mahakivy izany. Tsaroako tamin’ny mbola tanora aho dia nandefa taratasy fangatahana telonjato. Ary rehefa nahita asa aho, ary teo amin’ny 3 herinandro teo dia voaroaka aho! Toy izao ny fisehony …
Nipetraka teo amin’ny biraon’ny lehiben’ny mpiasa aho, toy ny mahazatra ahy dia nandray antso aho. Tamin’io andro io, dia nangataka hiresaka tamin’ny olona iray izay tao amin’io efitrano io ilay niantso. Ny lehiben’ny mpiasa dia nibitsika tamiko hoe: “Lazao fa tsy ao ilay olona voakasika.” Dia hoy aho taminy : “Miala tsiny fa tsy tia handainga aho, ao ilay olona.” Na teo aza ny fisisihany, dia nijanona teo amin’ny toerako aho nanazava fa mifanohitra amin’ny fomba fisainako ny mandainga. Fanintelony izy no nilaza tamiko mazava hoe: “Lazao fa tsy ato izy, na voaroaka avy hatrany ianao!” Teo anoloan’ny fandavako dia nesoriny tety an-tanako ny telefaonina ary noroahany avy hatrany aho.
Talohan’ny nandehanako dia nizara Testamenta Vaovao ho an’ny mpiasa tsirairay aho.
Teo anoloan’io fahaverezana asa izay tena notadiavina io, dia nahatsapa aho hoe hianga amin’ny tsy misy indray ary dia nalahelo. Saingy ny ampitson’ny fandroahana ahy, dia nisy orinasa niantso ahy: “Ilay olona noraisinay hiasa dia tsy nahafapo anay. Ka maniry ny hihaona aminay ve ianao?”
Mihoatra noho ny nandrasako dia nanome asa ho ahy io orinasa io, karama efatra ambin’ny folo volana, enina herinandro tsy hiasàna nefa handraisa-karama, tontolo hiasana mahafinaritra amin’ny endrika parisianina, teo akaikin’ny Parc Monceau, ary indrindra dia toerana tena mifandraika amin’ny fahaizako ilay asa. Raha tsorina dia, ilay nofy!
Io asa io dia tena fahasoavan’Andriamanitra. Tsy nanenina mihitsy aho raha voaroaka tamin’ny toerako teo aloha!
Ny toe-javatra sarotra indrindra eo amin’ny fiainantsika indraindray dia sehatra iray mitondra antsika mankany amin’ny anjaratsika. Andriamanitra irery no mahalala ny ho avy. Mamporisika anao handeha amin’ny fahamarinana sy hijanona ho mahatoky amin’ny làlany: fa hikarakara ny ambiny Izy!
Araka ny lazain’ity andinin-tsoratra masina ao amin’ny Baiboly ity: “Eny, tsy hisy ho menatra izay rehetra miandry anao.” (Salamo 25.3)