• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Jon 1, 2025

🙌🏻 Mendrika ny fankasitrahanao mandrakariva Andriamanitra!

Andro namoahana Jon 1, 2025

Efa miditra amin’ny famaranana an’ity andininy ity isika, ary ny andininy farany amin’ ity Salamo mahafinaritra ity dia milaza hoe: “Midira eo amin'ny vavahadiny amin'ny fisaorana, Ary eo an-kianjany amin'ny fiderana; Misaora Azy, mankalazà ny anarany” (Salamo 100:4)

Misy zavatra manokana miseho rehefa manatona Azy amin’ny fo feno fankasitrahana sy fiderana isika.

Isaky ny misafidy ny hisaotra sy hidera Azy isika manoloana ny toe-javatra atrehantsika dia manapa-kevitra ny hampifantoka ny masontsika amin’izay tsy hitantsika isika fa tsy amin’ny zava-misy marina..

Ary izany indrindra no atao hoe finoana: ny fahatokiana izay andrasantsika na dia tsy mbola tonga aza; ny faharesen-dahatra amin’izay mbola tsy hitan’ny masontsika.

Ary mandritra izany fotoana izany, ny finoana dia mamela antsika hisaotra an’Andriamanitra mandrakariva amin’ny zava-drehetra: ny amin’ny zava-bitany tamin’ny lasa, ny amin’izay hataony amin’ny ho avy, ny amin’izay efa nomeny antsika sy izay ataony ankehitriny.

Izay ny antony hanasan'ny andininy anio antsika ho tonga sy hiditra ao am-baravaran’ny Fanatrehan’Andriamanitra amim-pankasitrahana tsy tapaka.

Tsy afaka miditra ao amin’ny Fanatrehan’Andriamanitra miaraka amin’ny fitarainana, fanakianana, fiampangana ny hafa isika… Andeha aloha hanova ny fomba fisainantsika, ho tonga saina bebe kokoa amin’izay efa nataon’Andriamanitra teo amin’ny fiainantsika ary aoka ny fankasitrahana sy ny finoana hanenika ny fontsika.

Ry namako, mendrika ny fankasitrahanao mandrakariva Andriamanitra! Tsy nandao anao Izy na dia iray segondra aza, tahaka ny fonao izay tsy nitsahatra nitempo nandritra izay fotoana izay.

Mijoro eo anilanao Izy. Koa saintsaino bebe kokoa ny Fitahiany eo amin’ny fiainanao ary avelao ny fonao ho feno fankasitrahana sy fiderana Azy, dia hahita fahagagana tsy mampino ianao, izay hitarika anao hankasitraka bebe kokoa Azy, ary haniry hidera Azy bebe kokoa. Araka ny traikefako manokana no hilazako anao izany! =)

Fahagagana ianao!

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.