Mbola tsy tara izao raha hangataka fanampiana !

PEJY FANDRAISANA | Miracles | Mbola tsy tara izao raha hangataka fanampiana !

Tsy fantatro ny momba anao fa izaho efa imbetsaka no tafiditra tanaty toe-javatra sarotra kanefa tsy tonga saina akory. Efa imbetsaka aho no nitaraina tamin’Andriamanitra mba hanampy ahy hiala amin’ny olana izay nahazo ahy. Isaorako an’Andriamanitra fa nanampy ahy foana Izy na dia teo aza ny fahadisoako !

I Josafata Mpanjaka, zanak’i Asa Mpanjaka, dia anisan’ireo mpanjakan’i Jodia izay nitady an’Andriamanitra indrindra, ary anisan’ireo notahin’Andriamanitra indrindra koa. Kanefa, noho ny faniriany hanakaiky kokoa ny fanjakan’ny Isiraely, dia nanohana ny mpanjakan’ny Isiraely izy tamin’ny ady tamin’ny Syriana, rehefa nanambara ny faharesen’ny Isiraely i Mika mpaminany.

Teo amin’ny tanin’ady, ny Baiboly dia milaza fa rehefa nahita an’i Josafata ireo syriana dia niteny hoe : « Iny mihitsy ny mpanjakan’ny Israely ». Dia nanantona azy ireo hamely azy. Fa dia niantsoantso i Josafata. Ary tonga namonjy azy Jehovah Andriamanitra ary nampiala ireo taminy. Hitan’ireo komandin’ny kalesy fa tsy mpanjakan’Israely izy dia niala taminy ireo. » (II Tantara 18 :31-32) Tsara loatra!

Ry namako, voamarikao ve ireo antsipiriany ireo ? Josafata dia :

  • Teo amin’ny toerana tsy mety
  • Tamin’ny fotoana tsy mety


Tamin’ny ady izay tsy niantson’Andriamanitra azy. Ary naika namoizany ny ainy mihitsy izany. Fa tamin’io fotoana io dia nitaraina tamin’Andriamanitra i Josafata. Eny na dia nanao fahadisoana maro aza izy dia niantso an’Andriamanitra ary Andriamanitra nanampy azy. Nampitsahatra ny fahadisoan-kevitry ny Asiriana Izy ary afaka nandositra i Josafata tamin’ny farany

Ry namako, Andriamanitra dia tsy mba manao tsinotsinona anao izany rehefa miantso Azy ianao ! Raha nisy fanapahan-kevitra diso nahatonga anao tafiditra anaty toe-javatra sarotra, anio Jesosy dia manolotra ny tanany anao ary hanampy anao. Tia anao Izy ary manana fahefana hanafaka anao, na dia ao anatin’ny toe-javatra toa tsy ho vita aza. Androany dia afaka manomboka miova ny zava-drehetra. Enga anie ianao hiantso an’Andriamanitra anio. Miantsoa Azy fa ho tsapanao ny tanany miasa sy hanao fahagagana eo amin’ny fiainanao.

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!