Mbola tia anao Izy!
"Isaky ny rehefa tsy eo iray andro ny ankizy dia manomboka misotro sy mifoka aho. Inona no tsy mety amiko?"
Mahazo taratasy maro toy izao aho. Ny henatra sy ny fanamelohan-tena matetika no mahatonga ireny olona ireny tsy handroso intsony amin’ny finoany. Mijoro ho sakana ho azy ireo ny fahatsapana hoe “diso fanantenana amiko Andriamanitra”.
Izaho no olona tsy mba hanondro sy hitsara mihitsy hoe: "Fahotana ity ary ity tsy izy." Mifanohitra amin’izany, dia tiako ny hilaza toa an’i Paoly hoe: “... tsy mbola ataoko fa efa nahazo ny tenako... fa miezaka hanatratra izay zavatra eo aloha...” (Sombin’ny Filipiana 3:13).
Amiko dia zava-dehibe lavitra kokoa ny milaza aminao fa tsy very ny famonjenao satria nivily lalana ianao amin'izao fotoana izao. Ny zava-dehibe dia ny tsy handosiranao, ary ny fiverenanao ... ao amin'ny Rainao.
Alaivo sary an-tsaina ity toe-javatra ity: Manitsaka hoditra akondro ianao eo amin'ny lalanao. Mibolisatra ianao ary miafara amin'ny tany. Amin'izay fotoana izay, mbola eo amin'ny ilay lalana ihany ve ianao? Eny! Fa eo amin’ny tany ianao. Inona àry no tokony hataonao? Zavatra iray ihany: mitsangana!
Ity misy sary iray hafa: alaivo sary an-tsaina ny zazakely iray mianatra mandeha. Mianjera matetika izy nefa tsy kivy; mitsangana indray izy mandra-pahavitany mandeha irery. Rehefa tsy mahavita izany amin’ny herin’ny tenany manokana izy indraindray, dia miantsoantso hoe: “Neny, Neny!” na "Dada, Dada!" Ary ny ray aman-dreniny dia mitantana azy mandra-pahavononany hizotra indray amin’io lalan’ny “fianarana mandeha” io.
Mety lavo angamba ianao, na manao zavatra tsy mety. Raha izany no izy dia tiako ny mampahatsiahy anao fa mbola eo amin’ny lalàna mankany amin’i Jesosy ianao; afaka miantso Azy ianao anio: “Ray ô, Ray ô, ampio aho”
Satria: "Matoky aho fa tsy misy mahasaraka antsika amin'ny fitiavan'Andriamanitra izay ao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika." (Ao amin’ny Romana 8:38-39)
Mitsangàna ary andramo indray, amin’ny fahatokiana fa mbola tia anao ny Rainao any an-danitra!
Fahagagana ianao !