• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Des 12, 2024

❤️ Mbola tia anao Izy

Andro namoahana Des 12, 2024

“Isaky ny tsy ao an-trano iray andro ny ankizy dia manomboka misotrosotro sy mifoka aho. Fa inona no mahazo ahy?”

Maharay taratasy maro toy izany aho. Ny henatra sy ny fanamelohan-tena matetika no mahatonga an’ireny olona ireny tsy handroso finoana intsony.  

Eny tokoa, ilay fahatsapana hoe: “Diso fanantenana amiko Andriamanitra” dia lasa sakana ho azy ireo. 

Izaho manokana dia tsy mba tia manondro molotra sy mitsara ny hafa manao hoe: “Fahotana io, tsy mety io fa izao no mety”. Mifanohitra amin’izany aza, manonona aho tahaka  an’i Paoly fa … “  tsy mbola ataoko fa efa nahazo ny tenako; fa zavatra iray loha no ataoko; manadino izay zavatra ao aoriana ka miezaka hanatratra izay zavatra eo aloha…(nalaina tao amin’ny Filipiana 3:13)

Amiko, zava-dehibe kokoa ny milaza fa tsy very ny famonjena anao na dia diso lalana aza ianao ankehitriny.  Rehefa tsy mandositra Azy fotsiny ianao ary mahatsapa tena hiverina ao amin’ny Rainao dia izay no zava-dehibe. 

Alaivo an-tsaina izao sary izao: Manitsaka hodin’akondro ianao ka nibolisatra ary mianjera amin’ny tany. Fanontaniako aminao ary: mbola eo amin’ilay lalàna ve ianao? Eny! Fa kosa, eo amin’ny tany ianao! Inona ary no tokony hataonao? Mitsangana! 

Sary iray hafa indray: diniho ny zazakely mianatra mandeha. Mianjera foana izy kanefa tsy kivy fa mitsangana hatrany mandra-pahavitany mandeha irery. Mandritra izany, rehefa tsy mahavita tena irery intsony izy dia miantsoantso hoe:”Mama, mama” na “Dada, dada”! Ary tonga manambitamby azy ireo ny ray aman-dreniny mandra-pahavonona azy “hianatra mandeha” indray. 

Mety lavo angamba ianao ankehitriny. Mety manao ratsy. Te hampahatsiahy anao aho hoe mbola an-dalana manatona an’i Jesosy ianao, afaka miantso Azy ianao anio hoe: “Dada , Dada, ampio aho”.

Fa matoky aho fa tsy MISY hahasaraka antsika amin'ny fitiavan'Andriamanitra izay ao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika.” (nalaina tao amin’ny Romana 8:38-39)

Mitsangàna ary mandrosoa hatrany am-pahatokiana fa mbola tia anao ilay Rainao any an-danitra!

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.