Mbola misy fanantenana!
"Raha ny marina, tsy noheveriko mihitsy hoe ho toy izao ny fizotr’ity maraina ity."
Tena very hevitra tanteraka ilay mpianatra nijoro teo anoloako. "Rehefa nilazana aho fa hisy fotoam-pivavahana ato amin’ny sekoly anio maraina, dia zavatra hafa mihitsy no noeritreretiko. Nihevitra aho fa tsy maintsy avelako eo am-baravaran’ny fiangonana ny olako vao afaka miditra ao amin’io "toerana masina" io. Fa ny zavatra niainako tao kosa dia nihoatra lavitra noho izay nampoiziko. Tena nahagaga !"
Tamin’io maraina io, io mpianatra io — izay toa natoky tena be — dia nametraka an-kilany ny fahatokisany tena rehetra, ary nanaiky ilay vavaka nanasako azy hatao tamin’ny faran’ilay fotoam-pivavahana.
Tsy tena sitrany akory ny nankanesany tany, satria tamin’ny 7 ora sy 50 minitra maraina ilay izy no nanomboka! Kanefa efa naniry hatry ny ela izy ny hahafantatra an’Andriamanitra sy hanana fifandraisana manokana amin’i Jesosy. Saingy hatramin’io andro io, toerana manjombona izay tsy mifanaraka aminy mihitsy, no hany nampahafantarina azy...
Tamin’io maraina io dia tsapako tamim-pahatairana fa maro ireo tanora no maniry hahafantatra an’Andriamanitra ao am-pony ao, nefa mandany fotoana mieritreritra fa tsy mendrika Azy izy ireo, ary hoe tsy maintsy avelany "eo am-baravaran’ny fiangonana" ny olany vao afaka miditra ao.
Fantaro fa velona Andriamanitra ary maniry mafy anao Izy. Fa hoy ny Soratra Masina:
"Fa efa tonga ny Zanak'olona hitady sy hamonjy ny very.." (Lioka 19.10)
Marina izany. Efa tamin’ny andron’i Habakoka no nandeha lalana diso ny olona. Raha tokony hino izy ireo fa miandry azy fotsiny Andriamanitra mba hiresahany Aminy, dia sampy no nivavahany!
"Mahasoa inona ny sarin-javatra voasokitra, No misokitra azy ny mpanao azy? Na ny sarin-javatra an-idina sy ny mpampianatra lainga, No matoky azy izay namorona azy Tamin'ny nanaovany sampy moana? " (Habakoka 2.18)
Te hamporisika anao aho anio handinika ny fiainanao. Aza mijanona eo am-baravaran’ny fon’Andriamanitra miaraka amin’ny olanao, satria mihevitra ianao fa tsy "mendrika" Azy. Ary aza mijanona eo anoloan’ny sampy koa, na inona na inona toerana omenao azy eo amin’ny fiainanao.
Aza mandeha lalana miolikolika, fa raiso ny lalana mahitsy. Ny lalana mankany amin’Andriamanitra, amin’ny alalan’i Jesosy!
Fahagagana ianao!