• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Nov 24, 2025

đź’ť Mbola misy fanampiny ho anao!

Andro namoahana Nov 24, 2025

Tiako ny sarimihetsika! Raha azoko atao dia mijery sarimihetsika iray manontolo aho (na maromaro =) isan'andro.

Efa nahita sarimihetsika iray ve ianao hoe ilay mpilalao fototra toa maty, kanefa amin’ny farany dia gaga ny rehetra fa niverina amin-kery izy, velona soa aman-tsara? Rehefa mahita azy maty ianao dia mieritreritra hoe tsy tokony ho izao ny fiarafan’ilay tantara. Fa tokony misy tohiny!

Jesosy, ilay mpilalao fototry ny Famonjena dia nanome izay fanampiny izay tamin’ny nahafatesany sy nitsanganany tamin’ny maty : nanome fanantenana velona ho antsika Izy!

Izany indrindra no voalazan’ny Apostoly Petera : Andriamanitra, araka ny haben’ny famindram-pony dia “niteraka antsika indray araka ny haben'ny famindram-pony ho amin'ny fanantenana velona tamin'ny nitsanganan'i Jesosy Kristy tamin'ny maty” (I Petera 1:3). Fanantenana velona no nomen’Andriamanitra anao fa tsy fanantenana maty!

Mihevitra angamba ianao hoe tsy mahomby ny fiainanao, efa rava ireo nofinofinao ary tsy misy afaka mamerina indray ilay fientanentananao teo aloha, kanefa diso izany. Mitsoka ny rivo-piainany aminao Jesosy ary mameno anao amin’ny fanantenana velona, izay mitondra hery vaovao mampitraka sy mampandroso anao.

Hiara-hivavaka isika? “Tompo ô, misaotra Anao amin’ny foko manontolo aho satria miaraka amiko Ianao, manana fiainam-baovao ao Aminao aho isan’andro. Misaotra noho ny fanantenana velona izay omenao ahy, izay efa misy akony amin’ny fiainako izao sy ankehitriny. Ampio aho mba handroso, hibanjina Anao hatrany, ary hamelona indray ireo nofinofy sy faniriana izay napetrakao tao am-poko. Misaotra amin’ny zava-drehetra Tompo ô! Amin’ny Anaran’I Jesosy. Amena.”

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.