Mbola misy antenaina ny aminao !
Namaky fanambarana iray nataon’i Joyce Meyer aho dia nahatsiaro anao, mpamaky ahy isan’andro…
“Aza avela hisy olona handresy lahatra anao fa tsy misy fanantenana ho anao na tsy misy azo antenaina ny aminao. Manana planina ho anao Andriamanitra.”
Ry Namako, misy fanantenana ny fiainanao ! Ireto zavatra telo ireto no mitoetra hoy ny Baiboly… Ny finoana, ny fanantenana ary ny fitiavana (ny fiantrana).
Ry namako, mbola misy antenaina ny aminao ! Sangan’asan’Andriamanitra ianao. Ny Salamo 139.14 dia milaza azy tsara : “Hidera Anao aho; fa mahatahotra sy mahatalanjona ny nanaovana ahy; Mahagaga ny asanao; Ary fantatry ny fanahiko marimarina izany.”
Misy fanantenana ny fiainanao, ny tokantranonao, ny asanao, ny fahasalamanao, ny firenenao. Mbola tsy rava ny zavatra rehetra!
Aza avela hisy hiteny aminao ny mifanohitra amin’izany, ary aza ketraka ny amin’ny teny izay tsy mifanaraka amin’ny maha izy anao ao amin’i Kristy.
Manana anjara voatendry ianao ary mandrakizay izany.
Te hanao zavatra goavana sy tsara be amin’ny fiainanao Andriamanitra.
Manana planina sy tetikasa ho an’ny fiainanao Andriamanitra. Planina hitondra fiadanana fa tsy loza. Matokia, mbola misy antenaina ny aminao!