• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Jon 20, 2026

Mbola azo itokisana ve ny Baiboly?

Andro namoahana Jon 20, 2026

“Novaina be foana ny Baiboly nandritra ny taonjato maro! Tsy mino aho hoe izay voasoratra ao amin’izao fotoana izao no tena tian'Andriamanitra holazaina!”

Misy namako tena akaiky ahy nizara tamiko ny fomba fijeriny. Aza mieritreritra hoe vonombonona aho, maika ny “hamaly” amin’ny fomba teolojika… Tsia. Tiako ny maka ny toeran’ny olona, mialohan’ny hiteny zavatra.

Tamin’izay fotoana izay, tsaroako fa nisy tenin’Andriamanitra iray ao amin’ny Baiboly izay tsy mbola nandrenesako toriteny tao am-piangonana, kanefa tena nanohina ahy manokana :

“Mifankatiava araka ny fifankatiavan'ny mpirahalahy;” (Romana 12:10)

Miantso antsika Andriamanitra mba hifanaja, mba hifankatia.

Ny mitia dia mihaino. Ary rehefa mahay mihaino ianao, dia lasa henoina ihany koa!

Koa inona ary no havaly amin’ny zava-misy toy izao? Raha tsy hamaly ara-teolojika tanteraka, ahoana no hatao?

Ity misy torohevitra sarobidy ho anao : mety tsy hahavaly ny zava-drehetra ianao, fa misy valinteny azonao ampiasaina foana.

Tantarao izay nataon’Andriamanitra taminao. Lazao izay nataon’I Jesosy tamin’ny fiainanao!

Nony farany dia namaly tamim-pifaliana aho hoe : “Tsy fantatro raha tahaka ny tamin’ny voalohany indrindra ny zava-drehetra… Fa ny tsapako dia hoe velona ao anatin’ny fiainako ny tenin’Andriamanitra!”

Ary hifikirako ity teny fampanantenana ity hoe :

“Maina ny ahitra, malazo ny voniny; Fa ny tenin'Andriamanitsika dia haharitra mandrakizay.” (Isaia 40:8)

Hamaly soa ny fitokisana foana Andriamanitra!

Koa anio, manasa anao aho mba hitoky Aminy. Ary aza misalasala ny mitantara izay zavatra iainanao miaraka Aminy!

Fahagagana ianao!

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.