Mba ho tanteraka ny fifalianao
Izahay mivady dia tsy nandalo ilay dingan’ny “sipasipa” ☺️. Izy moa nianatra tao Afrika atsimo ary izaho teto Madagasikara. Nifandray an-davitra izahay nandritry ny volana maromaro, ieee nisaraka koa 😋, fa nifamerina indray avy eo 🥰. Nanaraka fianarana baiboly moa izy ary anisan’ny ambetin-teniny ny hoe vao vita ny fianarany dia mivady ary manohy ny iraka ao Afrika Atsimo. Ny volana novambra 2013 dia nilaza izy fa hody eto Madagasikara ary mila vita ny fisehoanay amin’ny ray aman-dreny satria vita ny fianarany. Planina hafa anefa ny an’Andriamanitra satria dia tsy fisehoana fotsiny no hatao fa fanamasinana mihitsy. Mitsiky aho eto manoratra mahatsiaro ireo fotoana ireo 😍, mora tantaraina fa tena nandalo sedra be mihitsy….
Rehefa manomana moa ianao, ary anatin’ny fotoana fohy dia fohy satria rehefa niara-nidinika izahay dia ny volana Febroary no hatao, izany hoe 3 volana ihany no nananana hanomana dia natao ny kajikajy rehetra, sy nanokana fotoana hitondra am-bavaka izany. Raha ny teo an-tanana dia tena lavitry ny tetibola mihitsy nefa nino fa tsy fotoananay io fa fotoanan’Andriamanitra. Ary rehefa toy izay dia Izy no mamatsy : nisy nanome ny akanjonay mivady na tamin’ny soratra na tamin’ny mariazy – ieeee!!! Marihiko fa tsy nangataka taman’olona izahay annnn….fa tena fahagagana miampy fahagagana. Fa tsy izay ihany fa na ny peratra, ny sakafo, ny fiara….dia natolotra anay maimaim-poana daholo. Voninahitra ho an’Andriamanitra irery ihany!!!
Zaraiko aminao izany inoanao fa manompo Andriamanitra velona isika. Indro omeko anao ity andinin-tsoratra masina ity, raiso am-pinoana anio fa hioty ny vokatra ianao : “Mandraka ankehitriny dia tsy mbola nangataka na inona na inona tamin'ny anarako ianareo; mangataha, dia hahazo ianareo, mba ho tanteraka ny fifalianareo.” Jaona 16:24
Fahagagana Izy, ianao koa 🙏💕