• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
    • VI Vietnamese
Andro namoahana Nov 11, 2026

Mazotoa homana oo

Andro namoahana Nov 11, 2026

Mazotoa homana oo

Misy ilay vavaka fatao rehefa hisakafo iny, izay ny ankizy moa no tena mpanao azy. Atao kimaimaika be nefa efa fohy rahateo 🤭 Inona ilay izy? Hainao ve? ā€œJesosy o, tahio ny sakafonay ahasoa anay, Amen!ā€ 05 segondra dia vita. Kanefa mba hainao moa fa raha tena atao am-pinoana sy amim-pahatakarana io vavaka io dia tena mafonja? 

Indraindray manko lasa ā€œpli-vavaā€ fotsiny satria maika hihinana ohatra na menatra. Misy aza moa vao avy manonona io vavaka io dia mibedy hoe aza mihinana betsaka amin’io eo fa marary eo…..šŸ˜µā€šŸ’« fa angaha tsy notahiana ilay sakafo? Fa angaha tsy ahasoa? 

Tsy manome voninahitra an’Andriamanitra ny fampiasana ny Teniny kanefa tsy mino fa hiatra izany. 

Ny ataontsika rehetra dia tokony hanome Voninahitra Azy foana. 

Hoy ny 1 Korintiana 10:31 hoe ā€œKoa amin'izany, na mihinana na misotro ianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr'Andriamanitra izany rehetra izany.ā€œ

Misakafo ianao? Ataovy ho voninahitr’Andriamanitra izany. Aza mirobaroba, mila mahalala fomba tsara, tsy mitsamotsamona. Mety hoy ianao hoe izany koa ve dia tenenina, fa tena anisan’ny fitaizana tsara asehontsika kristianina ny fitondran-tena tsy ahatonga ny olona ho kivy na hihemotra. 

Na inona na inona ataonao dia aoka haneho ny voninahitr’Andriamanitra hatrany izany. 

Meteza ho fitaratra maneho an’i Kristy. 

Ka na inona na inona ataonao dia aoka hanome Voninahitra an’Andriamanitra hatrany. 

Satria….Fahagagana Izy, ianao koa šŸ™šŸ’•

Norotiana Andriamanohy
Mpanoratra

Vehivavy tsotra iray izay nihaona tamin'i Jesosy ary niova ho voninahiny