• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Mey 5, 2026

Matory manditry ny fotoam-pivavahana ? 🤭

Andro namoahana Mey 5, 2026

Tsy mahagaga raha misy olona matory kely indraindray mandritry ny fotoam-pivavahana ao am-piangonana. 😴😄 Fantatrao ve izany ?

Ary raha ianao mihitsy aza izany, dia te hiarahaba anao aho noho ny fanatrehanao eto na dia reraka aza ianao !

Mieritreritra an’ilay lehilahy izay nanontaniana indray andro aho : “Fa naninona ianao no natory ?” Dia namaly tsotra izy hoe : “Mpamonjy voina aho, ary avy namonjy ain’olona aho omaly alina.” Nangiana. Nangoritsina. Fanajana.

Ary ankehitriny, dia te hitantara aminao an’ilay tovolahy izay natory.. Nandritra ny toriteny izay nataon’i Apostoly Paoly ! Ah, raha mba fantany hoe ho lasa malaza anie i Paoly, dia mba nandray an-tsoratra ireo teny rehetra nolazainy izy, haha…

Eny, tena fantatsika ireny toriteny lava be ireny ! Ary fantatry Paoly izay nataony, satria voasoratra hoe : “fa nikasa handeha maraina izy; dia naharitra nitori-teny mandra-paha-mamatonalina izy.” (Asan’ny Apostoly 20.7)

Ilay tovolahy - antsoina hoe Eotyka - dia nanana hevitra tsara hipetraka eo akaikin’ny varavarankely mba hahazo rivotra. Saingy… resin-tory lalina izy. Ary nitranga ny loza : “dia niraika noho ny torimaso ilay zatovo ka nianjera tamin'ny tany avy eny amin'ny rihana intelo mifanongoa, ary nony narenina izy, dia indro fa efa maty.” (Asan’ny Apostoly 20.9)

Alaivo sary an-tsaina anie ny zava-nitranga e !!! 😲 Fahafatesana mahatsiravina…

Ary i Paoly ? Tonga dia nidina i Paoly, niankohoka teo aminy ary namihina azy sady niteny hoe : “Aza mihorikorika ianareo, fa mbola misy aina ihany izy.” (Asan’ny Apostoly 20.10)

Dia niakatra tany ambony rihana indray izy ireo ary niara-nandray ny fanasan’ny Tompo. (Asan’ny Apostoly 20.11)

Mampianatra zavatra betsaka antsika ity tantara mahatalanjona antsika ity. Fa misy zavatra iray izay tena nanohina ahy : resin-tory ilay tovolahy. Nianjera. Ary maty. Nidina i Paoly. Namihina azy. Dia velona indray izy. ❤️

Tsy nanome tsiny azy izy toy ny hoe : “Fa inona no noeritreretinao ? Naika maty teo ianao !” (euh…izay mihitsy no nitranga teto…) Na koa hoe : “Tsy afaka niari-tory tahaka ny olon-drehetra ve ianao ?”

Tsia, ny mifanohitra amin’izany, namihina azy tamim-pitiavana izy. ❤️ Mino aho fa tsy natory intsony io tovolahy io mandritra ny fotoam-pivavahana. 😉

Ny fitiavana dia mampandroso, ny fanamelohana kosa mampihemotra.

Koa andeha isika ho tahaka an’i Paoly : Maro ny olona matory - na dia ao anatin’ny finoany aza - fa ny tena zava-dehibe, dia Ilay manangana azy ireo.

Fahagagana ianao !

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.