🕒 Matokia ny fotoanan’Andriamanitra !

Efa tonga amin’ny faran’ity andian-dahatsoratra ity isika, izay nifantoka amin’ny fahitana. Ary ho faranantsika izany amin’ny andininy farany, izay milaza hoe: "Soraty ny fahitana, ka ataovy velona tsara ny soratra eo amin'ny fàfana, Mba ho azon'ny mihazakazaka hovakina aza. Fa ny fahitana dia mbola ho amin'ny fotoan'andro, Ary mikendry ny farany izy ka tsy ho diso; Eny, na dia mitaredretra aza izy, andraso ihany, Fa ho avy tokoa izy ka tsy hijanona." (Habakoka 2:2-3).
Tiako ny manamarika fa toa misy fifanoherana eo amin’ny faran’ity andininy ity. Raha jerena dia milaza ny andininy fa mety haharitra ny fahatanterahan’ilay fahitana ka tokony hiandry amim-paharetana isika. Nefa avy eo dia lazaina hoe tsy ho tara izy.
Inona ary no marina? Ho tara ve sa tsia? Samy marina ireo valiny ireo.
Amin’ny maha-olombelona antsika, dia mety ho tsapantsika ho lava loatra ny fiandrasana. Tiantsika ho tanteraka haingana ilay fahitana, ka mety ho diso fanantenana isika.Fa amin’ny lafiny ara-panahy kosa, eo an-tanan’Andriamanitra ny fotoanantsika, ary na dia toa hoe ela aza ny zava-mitranga amin’ny fijerintsika, dia mbola araka ny fandaminana lavorary nataon’Andriamanitra foana izany, amin’ny fotoana tonga lafatra izay notendreny.
Izany dia zavatra efa niainako imbetsaka tamin’ny fiainako. Nieritreritra aho indraindray fa tara loatra amin’ny zavatra sasany, fa rehefa nivavaka aho, dia tsapako fa tonga amin’ny fotoana mety foana ny zava-drehetra.
Mazava ho azy fa raha miala amin’ny drafitra sy ny sitrapon’Andriamanitra isika, dia mety ho tratran’ny fahatarana sy ny vokatra ratsy, izay tsy ao anatin’ny drafitra tsara nokasainy ho antsika. Fa raha mitady Azy amin’ny fonao manontolo ianao ary vonona hanaraka Azy, dia tsy mila matahotra na inona na inona.
Ry namako, matokia ny fotoanan’Andriamanitra ! Tena lavorary tokoa ny fotoany, ary tsara lavitra noho izay eritreretintsika.
Ianao dia Fahagagana !

