Matokia an’Andriamanitra amin’ny fonao rehetra
Hoy ny Baiboly ao amin’ny (Ohabolana 3.5-6) : “Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra, Fa aza miankina amin’ny fahalalanao; Maneke Azy amin’ny alehanao rehetra, Fa Izy handamina ny làlanao.”
- Matokia… Afaka matoky an’Andriamanitra ianao ry Namako. Tia anao Izy ary mihaino anao. Ny Baiboly dia milaza fa rehany na ny feon’ny ranomasonao aza. (Salamo 6.8) Namana afaka hanokafanao ny fonao Izy na dia izao dia izao aza.
- An’i Jehovah… Izy ilay hatrizay hatrizay. Izy no ilay Tsitoha. “Ho tahiana izay olona matoky an’i Jehovah dia izay manana an’i Jehovah ho tokiny”! (Jeremia 17.7)
- Amin’ny fonao rehetra… Raha mitady an’Andriamanitra amin’ny fonao rehetra ianao dia ho hitanao Izy. Atolory Azy ny fonao ry Namako. Mitadiava Azy amin’ny fonao rehetra.
- Aza miankina amin’ny fahalalanao… Andriamanitra dia manana vahaolana izay mihoatra lavitra noho ny fahalalanao, na ny fahatakaranao na ny fahafahanao. Aleo miantehitra amin’ny fahaizany toy izay ny anao.
- Maneke Azy amin’ny alehanao rehetra… Midika hoe mametraka an’Andriamanitra amin’ny kajikajinao rehetra. Aza manilika Azy fa avelao Izy hiditra amin’ny lafim-piainanao rehetra.
Fa Izy handamina ny làlanao… Andriamanitra irery no afaka hampietry ny tendrombohitra sy hanandratra ny lohasaha tahaka ny lazain’ny Baiboly ao amin’ny (Isaia 40.4) Hataony aminao izany ry namako satria ianao matoky Azy amin’ny fonao rehetra.
Manantena aho fa haka fotoana kely ianao anio hisaintsainana an’izany fahamarinana ara-baiboly izany. Izany sakafo ara-panahy izany dia hampahery anao ary tsy ho ela dia hahita vokatra ianao. Matokia an’Andriamanitra amin’ny fonao rehetra.. Dia hahazo fitahiana ianao.
Mirary tontolo andro voatahy ho anao.
Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra
Mandraisa fampaherezana isan'andro!
*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.