💪🏻 Matanjaka noho ny fahalemenanao…
“Nifady hanina aho anio ary nahazo naoty tsara be tany am-pianarana. Tena itako mety ilay manao fifadian-kanina !” Io no teny hitako tao amin’ny diarin’ny fahazazako, nosoratako fony aho mbola 12 taona !
Ireo izay efa nanao fifadian-kanina dia mahalala fa tena sarotra tanterahina izany. Tsy misy hafa amin’ny hoe mikendry hanadino sakafo isika nefa dia vao mainka mieritreritra an’iny foana ! Tsy mitovy amin’izany ve izay zavatra tadiavintsika mafy nefa mbola tsy ananantsika amin’izao fotoana izao ?
Jesosy dia nifady hanina 40 andro tany an’efitra. Hoy ny Soratra Masina : “...ka nalain'ny devoly fanahy. Ary tsy nihinan-kanina akory Izy tamin'izany andro izany, ka rehefa tapitra izany, dia noana Izy. ” (Lioka 4:2)
Tsarovy fa Jesosy teto an-tany dia niaina amin’ny maha-olombelona Azy. Izany hoe noana tahaka antsika koa Izy! Fa rehefa nentin’ny Fanahy Masina tany an’efitra Izy nandritra ny 40 andro dia tsy nisakafo ary nalain’ny devoly fanahy.Ary tsy inona fa any amin’ilay tena fahalemen’i Jesosy mihitsy no nasin’ny devoly : “ raha Zanak'Andriamanitra Hianao, teneno io vato io mba ho tonga mofo. !” (Lioka 4:3)
Misy fanafintohinana indroa misesy mihitsy ary ilay izy : “Raha Zanak’Andriamanitra Hianao…” Tsy efa niainanao ve izany ? Fa inona no tena tian’ny devoly hambara ? Toa maneso hoe : “Mino ve ianao fa tena zanak’Andriamanitra ? Aiza moa Izy ? Tsy hitako akory !”
Avy eo dia notaritiny ho amin’ny hanina Izy : “...teneno io vato io mba ho tonga mofo !” Jesosy ve tsy afaka nanao izany ? Afaka tokoa ! Saingy tsy sitrapon’Andriamanitra izany, fa tetika nataon’ny devoly.
Ary ianao ? Inona no “hanoanana” ao aminao?
Mety ho fahatsapana ho irery? Hany ka misy feo kely manoro hevitra anao hanamaivana izany amin’ny fijerena sary mamoafady?Mety ho sakafo mihitsy… ka voasariky ny fahazotoana mihinana tafahoatra, na koa fahazotoana tsy mihinan-kanina mihitsy ? Mety ho alahelo lalina ka manintona anao hialoka ao ambadiky ny toaka, zava-mahadomelina, na fakam-panahy hafa ?
Nahoana Jesosy no nahatohitra ny fakampanahy rehetra nataon’ny devoly ?
Satria novaliany avy hatrany tamin’ny tenin’Andriamanitra ! Hoy Izy : “Voasoratra hoe…” (Lioka 4:4, 4:8, 4:10).
Rehefa tojon’ny fakam-panahy ianao, aza mamaly amin’ny teninao fotsiny, fa valio amin’ny tenin’Andriamanitra !
Andramo ity fomba fijery vaovao ity dia ho hitanao miharihary ny fahagagana miseho eo amin’ny fiainanao !
Fahagagana ianao !
