đ§ââď¸ Matahotra olona ve ianao ?

Vao avy nahita âpostâ navoakana tovovavy iray izay aho : nitsangana teo ambony sehatra lehibe izy niaraka taminâny voninkazo be ary nitsiky taminâny fakantsary !Hoy aho hoe : âOay, fa tsy ilay vehivavy nanatrika ilay seminera nataoko vao aingana ve ito?â Ilay tovovavy tena mijaly aminâny fahatahoranâolona (phobie sociale) ! Woooow ! Tena nisy zava-mahagaga nitranga raha izany!
Fantatrao ve ilay fanahiana tampoka tonga amintsika rehefa tokony hiteny eo anoloanâny olona maro isika ? Tena fantatro tsara izany⌠Ary mety tsy mino izany ianao satria hoe efa zatra miakatra an-tsehatra aho. Fa matetika tsy ny sehatra lehibe no mampatahotra ahy, fa ilay sehatra kely kokoa aza âŚ
Ohatra, vao aingana aho no niresaka taminâny mpianatra 30 nandritra ny dimy andro misesy⌠Na dia tena voatahy tokoa aza aho taminâilay fotoana farany, dia nieritreritra toy izao ihany taminâity indray mitoraka ity : âTsy ho aiko ny hampianatra azy ireo. Tsy dia betsaka ny zavatra azoko zaraina. Tsy mpampianatra âza-draharahaâ aho. Mety hahasosotra azy ireo aho izaoâŚâ snsâŚ
Taminâny marainanâny niaingako hanao ilay asa dia nitady fankaherezana avy aminâAndriamanitra aho, ary izany mihitsy moa no hanasako anao rehefa aminâny fotoana toy ireny. Nony namaky anâilay boky fisaintsainako isanâandro izay aho, dia nanaitra ahy ity andininy ity : âfa ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin'ny Ray amin'ny anarako. Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo. Fiadanana no avelako ho anareo.â (Jaona 14.26-27a)
Ny Fanahy Masina no tena ilainao raha ny marina !
Koa ankehitriny, mankanesa eo aminâny seza fiandriananâAndriamanitra amim-panetren-tena, ary ekeo fa mila ny asany eo aminâny fiainanao ianao ! Dia diniho fotsiny avy eo ireo asa mahagaga asehony aminâny alalanao !
Izaho koa dia nanao toy izany⌠ary ity herinandro ity dia tena mahery lavitra sy voatahy lavitra noho ny taminâny farany.
Raha mijoro miaraka aminâny Fanahy Masina isika, dia miova ho Fiainana ny tahotra ao anatintsika !
Fahagagana ianao !

