• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Nov 28, 2023

๐Ÿ˜ Matahotra ? Izaho ? Tsia ka ?

Andro namoahana Nov 28, 2023

 

Rehefa mieritreritra olona faka-tahaka amin’ny fananana herim-po, iza no tonga ao an-tsainao voalohany ? Ho ahy manokana, ny azoko sary an-tsaina voalohany dia ireny olona manao asa miafina itantsika amin’ny horonan-tsary mihetsika, ireny olona tsy matahotra mitsambikina avy eny ambony fiaramanidina ireny, na mihanika amin’ny trano avo be na koa miady amin’ny fahavalo 20 isa miaraka =).

Ireny olona izay nahavita asa goavana teo amin’ny tantara ireny dia nahavita niatrika ny tahotra tao anatiny.

Ny tahotra dia anisan’ny fitaovam-piadian’ny fahavalo mahery indrindra : manova ny fomba fijery ho ratsy ary mitondra antsika handray fanapahan-kevitra ratsy ihany koa ny tahotra.

Ny herim-po dia, tsy hoe fanaovana tsinontsinona ny tahotra, fa fiatrehana izany. Ahoana ary ny fomba ahafahantsika miatrika izany ? Amin’ny alalan’ny finoana.

Izany indrindra no nataon’ireo mahery fo amin’ny finoana, araka ny voalazan’ny Baiboly : “ izay nandresy fanjakana tamin'ny finoana, niasa fahamarinana; nahazo teny fikasana, nanakombona ny vavan'ny liona, namono ny fidedadedan'afo, afaka tamin'ny lelan-tsabatra, raha nalemy dia nampahatanjahina, tonga nahery tamin'ny ady, dia nampandositra ny miaramilan'ny firenena hafa.” (Hebreo 11:33-34)

Waouh ! Ny finoany no nahafahan’izy ireny nanatanteraka zava-mahagaga lehibe ho an’Andriamanitra, na dia teo aza ny fahalemeny sy ny tsy fahombiazany.

Eny, ry namako, ny finoana no mahatonga anao hanana herim-po ! Rehefa manana finoana ianao, afaka mandray fanapahan-kevitra ary manatontosa zavatra izay tsy sahinao natao amin’ny toe-javatra iray. Horesahintsika izay rahampitso.

Eric Cรฉlรฉrier
Mpanoratra

Eric Cรฉlรฉrier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.