Marina Andrianamanitra amin’ny teny fampanantenany
Vonona ahatoky ve ianao? Raha tsy maintsy mametraka ny zanakao amin’ny olona ianao mandritra ny iray andro, inona avy ireo takianao amin’ny ilay olona hikarakara azy?
Mba ahafahantsika matoky olona, dia tokony azontsika antoka ny fahamarinan’ilay olona : mahatazona ny andraikiny ve ilay olona? Tsy mivadika amin’ny teniny ve? Tsy mamitaka ve?
Andriamanitra dia mahatoky, satria ao amin’ny baiboly, hitantsika fa mitana ny teny fampanantenany Izy , manasa anao aho hiaraka amiko hilona amin’ireto fahamarinana mahery vaika ireto:
Isaia 55.11 : “Dia ho tahaka izany ny teniko izay aloaky ny vavako:tsy hiverina amiko foana izy, raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako ary ambinina amin’izay ampandehanako azy.’’
Jeremia 1.12 : ‘’Dia hoy Jehovah tamiko : Marina ny ahitanao azy, fa mahatsiaro Aho mba hahatanteraka ny teniko’’
Josoa 21.45 : ‘’Tsy nisy latsaka na dia kely akory aza ny zava tsoa rehetra izay nolazain’i Jehovah tamin’ny taranak’Israely, fa tanteraka avokoa izany rehetra izany.”
Tsapanao ve ry Namako, fa na inona na inona ambaran’Andriamanitra, fantaro fa ny teniny dia volamena ary hotanterahiny izay nolazainy . Afaka mitoetra eo ambonin’ny teniny ianao.Tanteraka ireny ary mbola ho tanteraka. Aza mijery akory izay toerana misy anao ankehitriny, ny tahotra ao anatinao sy ny ratra mety nahazo anao.Raha niteny Andriamanitra fa ho tahiany Madagasikara, dia ho hataony izany.
Tompo o! , misaotra amin’ny teninao izay tsy miverina any aminao raha tsy mahatanteraka izay kasainao hatao, raha tsy mahatratra ny tanjona tianao apetraka aminay. Mino ny teny fampanantenana avy aminao izahay , mino izahay fa mahatoky ianao. Ho tanteraka avokoa izay nambaranao . Amen!