Manova fiainana ny resakao !
Efa manakaiky ny fiafaran’ity andian-dresaka ity isika, izay itarafantsika ny torohevitra nomen’ny Apostoly Paoly an’i Timoty, zanany ara-panahy. Hodinihintsika anio ny iray amin’ireo torohevitra farany izay hita ao amin’ny fiafaran’ny taratasy faharoa.
Hoy izy taminy: “Eo anatrehan'Andriamanitra sy Kristy Jesosy, Izay hitsara ny velona sy ny maty, ary noho ny amin'ny fisehoany sy ny fanjakany, no ananarako anao mafy: mitoria ny teny, mazotoa, na amin'ny fotoana, na tsy amin'ny fotoana, mandrese lahatra, mamporisiha, mananara mafy amin'ny fahari-po sy ny fampianarana rehetra.” (2 Timoty 4:1-2).
Hitanareo ve ny hamafin’ny tenin’i Paoly tamin’i Timoty? Raha ny marina, tsy torohevitra tsotra no nomeny azy fa didy hentitra mihitsy. Ao amin’ity andininy ity, dia nampitain’i Paoly taminy ny maha-zava-dehibe ny fitoriana ny Tenin’Andriamanitra amin’ny olona rehetra sy amin’ny fotoana rehetra.
Misy antony ny maha zava-dehibe ny miteny momba an’Andriamanitra : toy ny voalazany any am-boalohany fa hisy fotoana hitsaràn’i Kristy ny rehetra. Ary izay rehetra tsy nandray an’i Jesosy ho Tompo sy tsy nanaraka Azy tamin’ny fony manontolo dia tsy hiditra ao amin’ny Fanjakan’ny Lanitra.Resaka momba ny mandrakizay anie izany e! Nefa matetika tsy tsapantsika ny lanjan’ny fanambarana momba an’i Jesosy amin’ny hafa. Sarotra amintsika izany satria matahotra isika sao holavina, na handalo sedra mafy, na ho esoin’ny olona.
Indraindray koa sahirana isika satria tsy haintsika ny tokony holazaina na ny fomba tokony hilazana izany. Matahotra sao tsy mahavaly ny fanontanian’ny hafa. Matahotra sao hiala amin’Andriamanitra ny olona noho ny fomba tsy mety ifampiresahantsika aminy.Fa izany tahotra rehetra izany dia lainga avy amin’ny maizina izay mikatsaka ny hanakana antsika tsy hitory ny Filazantsara. Ny Fanahin’Andriamanitra dia mitoetra ao anatinao, ary Izy irery ihany no afaka mikasika ny fon’olona.
Rehefa misafidy ny handray fanapahan-kevitra amin’ny finoana ianao ary miteny amin’ny fo tsotra sy manetry tena, izay mikendry ny hitahy ny hafa, dia azonao antoka fa, na inona na inona voalaza mandritra ilay resaka dia ho ampiasain’Andriamanitra ny teninao mba hikasihana ilay olona amin’ny fomba iray, na eo noho eo, na amin’ny fotoana hafa eo amin’ny fiainany.
Io no antony nanomezan’ny Apostoly an’i Timoty izany didy izany sy namporisihany tsy hanadino ny ara-panahy. Mila vonona foana, na inona na inona toe-javatra, na amin’ny fotoana mety izany na tsy mety, hizara ny momba an’i Jesosy, hampianatra, hanitsy ny diso, ary handresy lahatra ny laingan’ny maizina.Ry namako, ny resakao dia manana hery hanova ny fiainan’ireo manodidina anao! Anio, mangataha amin’Andriamanitra ny fahendrena hahalalanao hoe iza no tokony hiresahanao sy ny fomba tokony hanaovana izany. Aza matahotra ny hanao hadisoana: mianatra avokoa isika rehetra, ary eo ny Fanahy Masina hanampy antsika. Ny tena hadisoana dia ny tsy hiteny amin’ny hafa.
Mitenena ary aza mangina! (Asan’ny Apostoly 18:9)
