• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Feb 9, 2025

Manome fanamby anao aho anio

Andro namoahana Feb 9, 2025

Nisy nofinofy na tetikasa izay nirinao fatratra ve ka tena nanokananao fotoana nandritry ny fotoana maro no rava tampoka tsy nampoizina?

Raha ny fiainako amin’izao dia toa mipatitaka tahaka ny midona amin’ny vatolampy sy mitady ho rava ireo asa nifantohako nandritry ny folo taona mahery. Ary taorian’ny vaovao miiba momba ahy dia niala an-tsitrapo aho. Tsia, tsy hoe tsy nahomby aho na  dia hoe izay aza ny fihetsika natoraly na amin’ny maha-olona fa dia nisitaka fotsiny aho.

Ianao koa dia tsy mahazo tsy mahomby fa -ankehitriny mihoatry ny teo aloha- dia mila mijoro indray!

Satria ny fahagagana dia eo anoloana!

Tiako ny hampahery anao mandritr’izany fotoana izany hanokatra ny Baibolinao ary hihaino hira fiderana mafy, mba hidiran’ny fahamarinana ao anatin’ny fonao. Ilainao izany, mihoatra lavitry ny fisalasalana izay te hanenika ny fonao sy miezaka hampino anao hoe izay fa narian’Andriamanitra ianao! 

Ary fantatrao ve ny fanontaniana napetrak’Andriamanitra tamiko tamin’izay? Na ny marina kokoa hoe ny fanasana izay noraisiko nazava tsara: “Hey, Manasa anao aho hino anio!” 

Niseho teo anoloako indray ilay fahamarinana izay tsy nitsahatra niresaka tamiko: “ka ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo.” (Jaona 8:32)

Eny, tsapako fa amin'izao fotoana izao dia efa lany andro tanteraka ny nofinofiko. Ireo nofinofy sy faniriana izay nananako taona maro lasa izay dia tsy mifanaraka amin’ny fiainako ankehitriny ary nila nandamina ny fiainako Andriamanitra mba hanome toerana ny vaovao, na ny MISIMISY kokoa!

Hanome fanamby anao koa aho anio dia ny hino na ahoana na ahoana! Hino mihoatra noho ny hatramin’izay! Satria raha “manala” zavatra iray Andriamanitra dia satria mba hanome anao “tsaratsara” kokoa!

Nohamafisin’i Paoly izany ao amin’ny teniny hoe : “ Fa Andriamanitro hahatanteraka izay rehetra tokony ho anareo araka ny hareny amin'ny voninahitra no amin'i Kristy Jesosy.” (Filipianina 4:19)

Manosika anao aho hino izany anio. 

Fahagagana ianao.

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.