• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Feb 6, 2026

Manomboka anio, dia azo atao izany! 😊

Andro namoahana Feb 6, 2026

Manao ahoana ny fiainam-bavakao?

Tsy natao hanamelohana anao ity fanontaniana ity, tena marina! Fanontaniana apetrako aminao amin'ny maha-namanao ahy, satria sarobidy amiko IANAO.

Raha ny marina, matetika tsy maintsy mampahery tena aho vao tafavavaka πŸ˜‰. Kanefa afaka mijoro vavolombelona aho fa nandray ny vavaka rehetra nataoko ho zava-dehibe Andriamanitra, ary nihaino ahy Izy!

Na izaho kely vao 12 taona, izay nihira tamin’ny fony manontolo tao anaty antoko mpihira nandritra ny fitetezam-paritra, izay tsy hita, fa tany amin’ny farany aoriana tany, nefa nivavaka tamin’ny fony manontolo hoe: "Jesosy ô, tiako ny hampita ny fanantenanao amin'ny alalan'ny mozika sy ny hira!"

Na koa ilay izaho efa lehibe, nanao fianarana momba ny fiderana nefa tsy nahazo fahafahana nitarika izany mihitsy, satria ny hafa foana no natao ho loha-laharana.

Kanefa, ny vavaka nataoko, izay matetika narahina ranomaso hoe: "Jesosy ô, tiako ny hampita ny fanantenanao amin'ny alalan'ny mozika sy ny hira", dia tanteraka – araka ny fantatrao ankehitriny!

Mihaino ny vavaka REHETRA asandratsika Andriamanitra, ary mamaly izany Izy, na ho ela na ho haingana! Ary ho tombontsoantsika foana izany. Raha mba tena nino izany tokoa mantsy isika! 😩🀭

πŸ’― Alaivo sary an-tsaina hoe manomboka miresaka amin'Andriamanitra momba ny olanao ianao, alohan'ny hiresahanao izany amin'olon-kafa: ho hitanao haingana kokoa ny fahagagana ho anao!

Satria: Ny manatona an'Andriamanitra miaraka amin'ny olanao, dia midika  fahitana fahagagana.

πŸ’― Alaivo sary an-tsaina hoe mametra ny fotoana laninao amin'ny tambajotra sosialy ianao, ka atokanao ho an'Andriamanitra izany fotoana izany – amin'ny alalan'ny vavaka: hitombo haingana kokoa ny finoanao!

Satria: Ny mandany fotoana miaraka amin'Andriamanitra, dia midika  fahitana ny maha-ianao anao ao Aminy.

πŸ’― Alaivo sary an-tsaina hoe tsy tonga dia mandray ny findainao ianao vao maraina, fa mijanona 5 minitra fanampiny eo ambony fandriana hiresahana ny zava-drehetra amin'Andriamanitra: ho tsapanao haingana kokoa ny fiadanany!

Atolory ho an'Andriamanitra irery ihany  ny saintsika manontolo!

Fa ianao kosa, raha mivavaka, dia midìra ao amin'ny efi-tranonao, ka rehefa voarindrinao ny varavaranao, dia mivavaha amin'ny Rainao, Izay ao amin'ny mangingina; ary ny Rainao, Izay mahita ao amin'ny mangingina no hamaly anao.” (Matio 6.6)

Inona no fanapahan-kevitra azonao raisina hanovanao ny fiainam-bavakao?... Satria tsy misy zava-dehibe noho izany.

Eric CΓ©lΓ©rier
Mpanoratra

Eric CΓ©lΓ©rier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.