• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
    • VI Vietnamese
Andro namoahana Sep 26, 2026

MANOMBOHA MITSINJAKA

Andro namoahana Sep 26, 2026

Anisan’ny andinin-tsoratra masina tena tiako ilay ao amin’ny Salamo 37:4 manao hoe : “Miravoravoa amin’i Jehovah ianao dia homeny anao izay irin’ny fonao” 

Tsy mangataka volabe aminao Izy, na diplaoma be, na fiara raitra be, na trano eraky Madagasikara, na tanjaka be… Fa ny hoe miravoravoa fotsiny. Andriamanitra dia tsy mba tia manasaro-javatra? Any e? Fa isika matetika no mihevitra hoe sao tsotra loatra eee… sao izao sy izao eeee… Miravoravoa. Tsy niteny Izy hoe mitsikia fotsiny fa miravo mihitsy. Inona moa no atao hoe miravo? 

Ny atao hoe miravo dia maneho fifaliana be, fahafinaretana lalina. Saintsaino hoe nisy nanome cheque ianao dia nasainy nosoratanao eo izay sorabola tianao, tsy voafetra. Tsy hitsiky fotsiny kosa angamba ianao fa hitsinjaka mihitsy….

Dia toy izay, Andriamanitra tenany eto no efa milaza aminao fa hanome izay irin’ny fonao raha miravoravo Aminy ianao!! Voafetra ve Andriamanitra? Misy zavatra tsy hainy atao ve? Tsiaaaa…. Ary tena te hitahy anao manokana Andriamanitra. Ianao fotsiny no mila mifaly ao Aminy. Mety manomboka amin’ny tsiky kely ho fiderana Azy ny molotrao.

Ka ‘ndao ary eee… Na inona na inona ataonao izao, na aiza na aiza ianao dia mitsikia, miravoa fa tsy olombelona ny Andriamanintsika ka handainga, fa izay lazainy tsy maintsy toaviny. Tononiko aminao fa hanome izay irin’ny fonao anie Andriamanitra satria miravoravo ao Aminy ianao. 

Fahagagana Izy, ianao koa 🙏💕

Norotiana Andriamanohy
Mpanoratra

Vehivavy tsotra iray izay nihaona tamin'i Jesosy ary niova ho voninahiny